28 jona — Teraka nanodidina ny taona 120 tao Asie Mineure i Masindahy Irenée ary tao no nandaniany ny fahazazany. Tamin’ny fahatanorany no nahalalany an’i Masindahy Polycarpe eveka tao Smyrne ary lasa mpianatra mahafatra-po an’ity eveka ity izy. Nohajainy tokoa io mpampianatra azy io, nandalina fatratra ny Soratra Masina sy ny lovam-panahin’ny Apôstôly izy ary tena niaina izany.

Ny apôstôlàn'ny lahika dia ny fandraisana an-tanana sy anjara mavitrika ataon'ny lahika amin'ireo asa famonjena ny olona iandraiketan'ny Fiangonana. Ny Fanahy Masina noraisina tamin'ny Sakramentan'ny Batemy sy ny  Fankaherezana no apinga entina manatanteraka ny asa no maniraka. Ny Lahika rehetra dia manana adidy hitondra famonjena ho an'ny olona tsy ankanavaka... Katesizy momba ny Lahika, iarahana amin'i P. Aurelien Rarivoson.

27 jona — Niaina tamin’ny taona 376 hatramin’ny 27 jona 444 i Cyrille. Notendrena ho patriarka handimby an’i Theophile izy ny 17 oktobra 412. Nafana fo tamin’ny ady manohitra ireo fampianaran-diso momba ny finoana izy, nakatony ny fiangonan’ireo novatiens, ary nenjehany ireo Jiosy tao an-tanana.

Mitovy zo sy hasina ny olombelona rehetra eo anatrehan'Andriamanitra sy ny Fiangonana satria samy voaantso ho amin'ny Fahamasinana daholo na ny Eveka, ny Pretra na ny Diakra na ny Relijiozy na ny lahika. Na dia misy aza ireo voahosotra amin'ny laharana maha Eveka, maha Pretra sy maha Diakra dia ny andraikitra no tsy mitovy raha mitaha amin'ny Lahika fa ny antso dia mitovy... Katesizy momba ny Lahika, iarahana amin'i P. Aurelien Rarivoson.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...