26 jona — Nataon’ny Fiangonana hatsiarovana an’i Masindahy Jean sy Paul, martiry niaina tamin’ny taonjato fahefatra, ny andro androany. Mpirahalahy i Jean sy i Paul, zanak’olona ambony saranga teo amin’ny fiaraha-monina izy mirahalahy ireto. Nitoetra tao Roma izy ireo ary niasa tao amin’i Constance zanakavavin’ny amperora Constantin.
Ny antsoina hoe : lahika dia ny kristianina rehetra tsy nandray ny Sakramentan'ny Filaharana ary tsy anatin'ny Fikambanan-dRelijiozy ankatoavin'ny Fiangonana. Izay rehetra vita Batemy ka iray amin'i Kristy sy ny Fiangonany tonga Mpisorona, mpanjaka ary mpaminany noho ny hasin'ny Batemy, ivelan'ny Sakramentan'ny Filaharana Masina sy ny satan-dRelijiozy, indrindra miasa sy mandray andraikitra... Katesizy momba ny Lahka, iarahana amin'i P. Aurelien Rarivoson.
25 jona — Teraka tao Aquitaine i Prosper tamin’ny taona 390, mpianatr’i Masindahy Augustin d’Hippone izy. Tsy pretra izy, tsy martiry ary tsy nanao fahagagana fa ny tena nahafantarana azy dia ny ady ara-pinoana nataony niady tamin’ireo pélagiens.
Manana adidy lehibe isika Kristianina manampy ny Eveka sy ny Pretra, ny Diakra mamonjy fanahy, mandray an-tanana mampandeha ny Fiangonana. Samy manana ny fanomezam-pahasoavana nomen'Andriamanitra azy avy ny tsirairay ka ireny no hampiasaina araka ny toro-lalana pastôraly. Samy miasa araka ny anjarany ny tsirairay miombona amin'i Kristy mba ho Fiangonana, hitombo... Katesizy momba ny Lahka, iarahana amin'i P. Aurelien Rarivoson.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco