Antso ny maha pretra na relijiozy, ilana fahaizana mihaino izany indrindra rehefa misy famantarana. Manantona ny pretra tompom-paritany no dingana akaiky indrindra avy eo misafidy ny fikambanana mba hahafahana manamasin-tena. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Alakamisy 14 oktobra 2021 — Herinandro favalo amby roapolo mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo ny lalanao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 47-54
Ny lahy no lohan'ny vavy, tahaka an'i Jesoa Kristy lohan'ny Eglizy, izay vatana sy manana azy ho mpamonjy. Tokony ho taratra eo amin'ny fanatanterahana ny adidy sy ny fandaminana ny ao an-tokantrano izany. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Alarobia 13 oktobra 2021 — Herinandro fahavalo amby roapolo mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana. Ankamasino amin’ny fahamarinana izahay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 42-46
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco