Manampy antsika hafantatra kokoa ny antso ho amin'ny fanambadiana ny fanadihadiana, hatao eo anatrehan'ny pretra, an-tsitrapo marina ve?. Ny laretirety dia isan'ireo fomba nampianarin'ny fiangonana entina handinihan-tena. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana soloniaina Jean Emilien.
Alahady 10 oktobra 2021 — Alahady fahavalo amby roapolo mandavantaona — Hataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 10, 17-27
Zava-dehibe ny dinika hatao eo anatrehan'ny Pretra sy ny fianankaviana. Ny dinika dia fandalinana ny maha sakramenta satria masina ny mariazy ary antso. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Sabotsy 9 oktobra 2021 — Herinandro fahafito amby roapolo mandavantaona — Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalanao ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 27-28
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco