Ankoatry ny fanabeazana dia ny fitiavan-dreny no isan'ny fototra mampirindra ny fiainam-pianakaviana. Afaka miteny sy mananatra am-pitiavana ny zanany ny reny. Mila manjaka ao amin'ny fianakaviana ny toetsaina kristiana mba hampivelatra ny fifandraisana misy eo amin'ny tsiirairay. Katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria... 

Alahady 20 jona 2021 — Alahady faharoa ambin'ny folo mandavantaona — Hankalazaina anie ny Mpanjaka avy amin’ny Anaran’ny Tompo! Fiadanana anie any an-danitra ary voninahitra anie any amin’ny Avo indrindra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 4, 35-40

Mampisy fifandraisana ara-pianakaviana ny fanekena hatrany ny sitrapon'Andriamanitra mba hahatsara ny fiainan-tokatrano. Ny fanabeazana ara-pinoana kristiana omena ny zaza dia manamora ny fifankahazoana am-po eo amin'ny mpianakavy. Katesizy momba ny fianakaviana,iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria... 

Sabotsy 19 jona 2021 — Herinandro faharaika ambin'ny folo mandavantaona — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 6, 24-34

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...