14 ôktôbra 2024 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahavalo amby roapolo Mandavantaona — Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo; ny baikonao mazava manilo ny maso — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 29-42)

Misy ny antson'i Kristy miantefa amintsika kristiana hiainana ny fahadiovana, fahantrana, fanekena. Ny fahadiovana ao anatin'ny tokan-trano kristiana : fanajan-tena sy fifanajan'ny mpivady. Hasain'i Kristy ihany koa isika hanaiky, ny fanekena lavorary dia izay araka ny toromariky ny Evanjely, ny fiezahana manetrin-tena ao anaty fahatsorana ary indrindra anatin'ny fifanajàna sy ny fifampihainoana... Fandaharana "hono hoy aho mopera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Iray amin'ireo teny voalohany nianarantsika fony mbola kely ny hoe "misaotra". Tena mariky ny fanajàna sy fametrahana amin'ny toerany ny olona iantefan'izany tokoa io fanehoana fankasitrahana io. Entanin'ny Papa François isika mba hiezaka hifaly mandrakariva amin'ny fihaonantsika amin'i Jesoa. Aoka isika tsy hanao tsirambina ny fisaorana fa hanatsara izao tontolo izao izany...  Katesizy momba ny vavaka fisaorana, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.

13 ôktôbra 2024 — Alahady Tsotra fahavalo amby roapolo Mandavantaona — Hataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 17-27)

[Miara-dàlana] Alatsinainy 4 aogositra 2025

• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...