9 ôktôbra 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahafito amby roapolo Mandavantaona — Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 1-4)
Mialohan'ny nananganan'i Jesoa ho velona an'i Lazara dia nitodika tany amin'Andriamanitra Ray Izy nisaotra noho ny Ray nihaino Azy zanaka ; araka izay voasoratra hoe : dia noesorina ny vato, ka niandrandra Jesoa sy nanao hoe "misaotra Anao Aho, Raiko, satria nihaino Ahy Ianao". Rehefa manatona an'Andriamanitra amin'ny alalan'ny vavaka isika dia mazava ny zava-drehetra ary misinda ny ahiahy... Katesizy momba ny vavaka fisaorana, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.
8 ôktôbra 2024 — Talata, Herinandro Tsotra fahafito amby roapolo Mandavantaona — Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-Janakao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 10, 38-42)
Isika samy olombelona dia mahay mifampisaotra, fa vao mainka moa isika rehefa mifandray amin'Andriamanitra. Mendrika hisaorana Izy Andriamanitra loharanon'ny soa rehetra, manome izay ilaintsika. "Misaotra" teny fohy fa manan-danja, tsotra nefa sarotra indraindray no miaina azy. Misaotra an'Andriamanitra isika satria manana vinavinam-pitiavana manokana ho antsika Izy... Katesizy momba ny vavaka fisaorana, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.
• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco