26 septambra — Teraka tamin’ny taonjato fahatelo tany Arabie tany Cilicie i Côme sy i Damien. Kristianina ny reniny. Voalaza fa kambana izy miralahy ireto. Manana zandry telo mirahalahy ihany koa izy. Nandalina momba ny fitsaboana tany Syrie i Côme sy i Damien.
25 septambra — Teraka ny 13 jolay 1013 avy amin’ny taranak’andriana tao Souabe i Hermann. Comte tao Altshausen ny rainy. Vao teraka izy dia voan’ny lefakozatra ka nahatonga ny anarany amin’ny teny latinina hoe “Contractus”. Tsy afaka namindra izy ary sarotra ho azy ny miteny.
24 septambra — Niaina tany amin’ny taonjato voalohany i Masimbavy Thècle izay resahana amin’ity androany ity. Avy ao amin’ny tanana antsoina hoe Iconium izy, ao Asie Mineure io. Zanak’olona mpanompo sampy sady mpanan-karena i Thècle, Théoclie no reniny.
23 septambra — Teraka ny 25 mey 1887 tao Pietrelcina faritanin’i Bénévent Campanie ao Italie i Francesco Forgione. Orazio Forgione sy Giuseppa Di Nunzio no ray aman-dreniny, tantsaha izy ireo. Ny ampitson’ny nahaterahany i Francesco dia efa vita batemy tao Sainte Marie des Anges izy, tao Pietrelcina.
• Solontena 37 avy amin'ny diosezy 20 amin'ny 22 no nandray anjara tamin'ny fiofanana momba ny fampiharana ny Eglizy miara-dia... •Nantsoin'ny Ray handray ny valin-kasasarany teo amin'ny faha-89 taonany i P. Baigny Dezy... •Hankalazaina any Jourdanie amin'ny 2030 ny faha-2000 taonan'ny nanaovana Batemy an'i Jesoa...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco