16 jolay — Tsaroana amin’ity andro ity i Marie-Madeleine Postel. Mpanorina ny fikambanana ny Soeurs des Ecoles chrétiennes de la Miséricorde izy io ka ny 1500 amin’ireo relijiozin’ny fikambanana dia mitondra ny anarany.
16 jolay — Ireo relijiozin’i Carmel nantsoina tany am-boalohany hoe mpanirerin’i Masina Maria tao tendrombohitr’i Carmel dia tsy manasaraka mihitsy ny asan’ny Tompo sy i Maria Virjiny reniny. Ao amin’i Maria no ahitan’ireo karma ireo, ny anambaviny noho ny fahavirijiniany sy ny reniny izay nanome aina ny fikambanan’izy ireo.
15 jolay — Jean Fidanza no tena anaran’i Bonaventure, teraka ny 1221 tao Bagnorea (Bagnoregio) akaikin’i Viterbe. Mbola zaza izy no narary mafy ka nivavaka ny reniny, nitalaho tamin’ny vavak’i Masindahy François. Sitrana soamatsara izy tamin’izany.
14 jolay — Teraka ny taona 1550 tao Bucchianico i Camille. Mbola kely izy dia maty ny reniny ary tsy dia nisy niraharaha loatra ny fanabeazana azy. Nilatsaka ho miaramila tao amin’ny tafika tao Venise izy avy eo tao Naples. Nanamarika ny fiainan’i Camille ny fitiavany lalao ka mahavery ireo fitaovany sy ny fitaova-piadiana tany aminy.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco