06 jolay — Marietta no fiantsoana an’i Marie Goretti. Teraka tamin’ny 16 oktobra 1890 izy tao Corinaldo Italie, faritra be tendrombohitra any Ancône. Fambolena no asa fiveloman’ireo fianakaviany, izay tia vavaka tokoa. Rehefa tsy ampy niveloman’izy mianakavy ny tany kely novoleny tao dia nifindra nankany Le Ferriere di Conca ao amin’ny Diosezy Albano izy ireo.
05 jolay — Teraka tamin’ny faramparan’ny taona 1502 i Antoine-Marie Zaccaria. Zanaka fianakaviana andriana izy. Tao Crémone Lombardi izy no teraka ary tao ihany ko no notaizana. Mbola kely an-tanana izy dia maty ny rainy ka ny reniny, vao 18 taona tamin’izay, no nitaiza azy tao anatin’ny fitiavam-bavaka sy ny fitiava-namana.
04 jolay — Teraka tamin’ny taona 1271 tao Espagne i Elisabeth. Zanak’i Pierre III, mpanjakan’i Aragon, sy Constance II avy any Sicile i Elisabeth na i Isabelle, fa ny dadabeany Jacques I kosa no nanabe azy. Zaza kely mahafatifaty i Elisabeth indrindra tamin’ny fitiavam-bavaka nitaizan’ity raibeny ity azy.
03 jolay — I Thomas ilay resahana eto dia ilay apôstôly tsy teo tamin’ny fisehoan’i Jesoa voalohany tamin’ny mpianany tao aorian’ny nitsanganany ho velona. Izy ilay nilaza fa tsy mino ny fitsanganan’ny Tompo raha tsy mametraka ny tanany amin’ireo loaky ny fantsika eo amin’i Jesoa.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco