30 jolay — Teraka tao Corneli tamin’ny taona 405 i Pierre. Fanta-daza ny fianakaviany. Mbola kely izy dia efa liana tamin’ny fivavahana ary nanampy an’i Cornelius, evaka tao amin’io tanana io, ary io moa no nanamasina azy ho diakra tao Imola.

29 jolay — Rahavavin’i Marie Madeleine anabavin’i Lazara i Masimbavy Marthe. Mpikarakara tokantrano izy ary tao Betania izy ireo no nitoetra. Mendrika tokoa izy amin’ny halemen-panahy sy ny fitiava-namana ka nampiavaka azy ny asa atao amin’ireo sahirana sy ny fampiantranoana ny mpamonjy sy ireo mpianany.

28 jolay — Iray amin’ireo olomasina nanorina ny tananan’i Bretagne i Samson. Voalaza fa teraka tany amin’ny faritra Glamorgan ankehitriny, izany hoe izany hoe atsimo andrefan’i Pays de Galles izy io. Efa ela ny ray aman-dreniny no naniry hanan-janaka izay voa nahazo azy.

27 jolay — Ny Nathalie resahana eto dia ilay Nathalie maty martiry tamin’ny taonjato fahasivy, novonoina niaraka tamin’ny vadiny. Mafy tokoa manko ny fanenjehana ny kristianina tany Cordoue tamin’izany fotoana izany ka raha teo ho velona dia tsy maintsy mifindra musulman.

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...