07 jolay — Teraka Granada Nicaragua ny taona ny 1902 i María Romero Meneses, nanan-katao tokoa ny fianakaviany. Teo amin’ny faha-13 taonany izy, raha nianatra tao amin’ny masera Filles de Marie Auxiliatrice, izany hoe ny fikambanan’ireo masera salezianina manara-dia an’i Don Bosco.

06 jolay — Marietta no fiantsoana an’i Marie Goretti. Teraka tamin’ny 16 oktobra 1890 izy tao Corinaldo Italie, faritra be tendrombohitra any Ancône. Fambolena no asa fiveloman’ireo fianakaviany, izay tia vavaka tokoa. Rehefa tsy ampy niveloman’izy mianakavy ny tany kely novoleny tao dia nifindra nankany Le Ferriere di Conca ao amin’ny Diosezy Albano izy ireo.

05 jolay — Teraka tamin’ny faramparan’ny taona 1502 i Antoine-Marie Zaccaria. Zanaka fianakaviana andriana izy. Tao Crémone Lombardi  izy no teraka ary tao ihany ko no notaizana. Mbola kely an-tanana izy dia maty ny rainy ka ny reniny, vao 18 taona tamin’izay, no nitaiza azy tao anatin’ny fitiavam-bavaka sy ny fitiava-namana.

04 jolay — Teraka tamin’ny taona 1271 tao Espagne i Elisabeth. Zanak’i Pierre III, mpanjakan’i Aragon, sy Constance II avy any Sicile i Elisabeth na i Isabelle, fa ny dadabeany Jacques I kosa no nanabe azy. Zaza kely mahafatifaty i Elisabeth indrindra tamin’ny fitiavam-bavaka nitaizan’ity raibeny ity azy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 jolay 2026

• Nodimandry androany teo amin'ny faha-98 taonany, i Mgr Raymond Razakarivony, Eveka emeritan'ny Diosezin'i Miarinarivo... • Manoloana izao zava-misy eto Madagasikara izao, dia ny fahaverezan'olona sy ny fahafatesan'olona, dia misy ny fanambarana sy ny fanentanana ary ny hafatra avy amin'ny Finvondronamben'ny Evekan'i Madagasikara... • Asehon'i Kristy ny fahalalahan-tananan'Andriamanitra mpamafy ny teny. Navoitran'ny Papa io nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...