01 jolay — Teraka tao Homécourt tao Marnes i Masindahy Thierry, ary maty tao Reims ny taona 533. Zanaka tompomenakely sady jiolahy mpandroba an-dalambe antsoina hoe Marcard izy. Tamin’ny andro nanaovana ny mariaziny no nahatsapany ny fiantsoan’Andriamanitra azy mba hiroso amin’ny fiainan’ny mpitoka-monina.
17 desambra — Ny Lazare resahana amin'ity andro anio ity dia ilay anadahin'i Marthe sy i Marie tao Béthanie, naman'i Jesoa ary natsangany ho velona. Niharitra ny fanenjehana noho ny finoana an'i Kristy izy io. Voalaza fa folo taona tao aorian'ny niakaran'i Jesoa dia natsipin'ny Jody tao anaty lakana tsy misy fivoy izy telo miandahy ireo, niaraka tamin'ny kristianina hafa.
• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco