13 jolay — I Henri dia teraka tamin’ny taona 973 tao Abbach tamin’ny fotoana nahalasanan’i dadatoany Othon le Grand mpanorina Saint-Empire Romain Germanique. Lahy matoa amin’ny zaza efatra naterak’i Henri le Querelleur, duc de Bavière sy i Gisèle de Bourgogne vehivavy hendry sy tia vavaka.
12 jolay — I Jean Gualbert dia miaramila avy any Toscane nibebaka ho kristianina izy teo ampahitana ilay olona namono ny rahalahiny nandoalika teo an-tongony sy nitalaho ny ny famindram-pony ary nanankina ny fanahiny tamin’Andriamanitra. Teraka ny 995 izy.
12 jolay — I Masindahy Olivier Plunkett dia Irlandais izy io, teraka ny taona 1629. Nahazo fanabeazana tsara tao amin’ny trano fitokana-monina tao Sainte Marie Dublin izy ary nisy fianakaviany ihany koa lehibe tao amin’izany trano fitokana-monina izany.
11 jolay — Teraka tao Nursie tao Ombrie ny taona 480 i Masindahy Benoît. Vao 14 taona monja izy no nandao ny toerana nahaterahany ary niazo an’i Roma mba hanohy ny fianarany. Nandositra ny tanan-dehibe sy ny rendrarendran’izao tontolo izao izy ka avy eo nitoka-monina irery tany amin’ny lava-bato tany Subiaco nantsoina hoe Sacro Speco.
• Tontosa ny alakamisy 15 ôktôbra 2026 tany amin'ny Diosezin'Ambositra, ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny Taom-pianarana 2026-2027 eo anivon'ny Sekoly Katolika manerana an'i Madagasikara... • Hotontosaina ny 8 nôvambra 2026 ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Mariusz Kasperski, Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... • Nisaotra ireo mpino nivavaka ho azy tamin'ny fandidiana azy ny Ray masina, nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco