Tahaka ny fananan-javatra maromaro ihany ny fananam-bady maromaro ; noho izany ny karazam-piraisana ateraky ny fampirafesana dia mampitovy ny olona iray amin'ny fananana na fitaovana fa tsy mba firaisana feno sy lalina ary manontolo. Ny vehivavy tsirairay dia samy maniry hanana ilay lehilahy ho azy irery manontolo fa tsy iombonany amin'ny hafa, izay tsy ho lavorary raha tsy marina ny itiavana. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.
23 mey 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahafito Mandavantaona — Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 9, 40-49)
Ny andrakandram-piraisana alohan'ny fanambadiana dia tsy tsara velively hiomanana amin'ny fanambadiana. Amin'ny ankapobeny ny tanora dia samy tia andrakandrana avokoa saingy ny zazalahy no somary lasa aloha toy ny mifoka sy misotro, firaisana amin'ny zazavavay , irety farany kosa dia ny tahotra no lasa aloha na entim-pilàna ihany aza. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.
22 mey 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahafito Mandavantaona — Mitoetra be dia be ao anatinareo ny tenin’i Kristy; isaory Andriamanitra Ray amin’ny alalan’i Kristy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 9, 37-39)
• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco