Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompo, Tompo! no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra; fa izay manao ny sitra-pon’ny Raiko izay any an-danitra, izy ihany no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra. Koa amin’izany, na zovy na zovy mandre izao teniko izao ka mitandrina azy, dia hohàrina amin’ny lehilahy hendry izay nanorina ny tranony teo ambonin’ny vatolampy; ary latsaka ny ranonorana ka tondraka ny ony, ary nifofofofo ny rivotra namely izany trano izany, nefa tsy nianjera izy, fa niorina teo ambonin’ny vatolampy. Ary na zovy na zovy mandre izao teniko izao, ka tsy mitandrina azy, dia hanahaka ny lehilahy adala nanorina ny tranony teo ambonin’ny fasika; ary latsaka ny ranonorana ka tondraka ny ony, ary nifofofofo ny rivotra namely izany trano izany, dia nianjera izy ka loza ny faharavany."

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nankany amoron-dranomasin’i Galilea, ary niakatra tany an-tendrombohitra Izy ka nipetraka teo. Maro ny vahoaka nanatona Azy teo, nitondra ny moana, ny jamba, ny mandringa, ny kilemaina mbamin’ny marary hafa betsaka, sy nametraka azy teo an-tongotr’i Jesoa dia nositraniny, hany ka gaga ireo vahoaka rehetra ireo nony nahita ny moana niteny, ny kilemaina sitrana, ny mandringa afa-mandeha, ny jamba nahiratra, ka nankalaza an’Andriamanitr’i Israely izy ireo. Ary niantso ny mpianany i Jesoa ka nilaza taminy hoe: "Mampalahelo Ahy ireto vahoaka, fa efa hateloana izay no tsy nisarahany tamiko, ka tsy manan-kohanina izy, tsy tiako ny hampody azy tsy homan-kanina sao dia reraka eny an-dalana izy." Fa hoy ny mpianany taminy: "Aiza no hahazoanay mofo ampy hahavoky ireo vahoaka be ireo atý an’efitra?" Ary hoy i Jesoa taminy: "Manana mofo firy ianareo"? Hoy ireo taminy: "Fito sy hazandrano madinika vitsy foana." Dia nasainy nipetraka tamin’ny tany ny vahoaka; ary noraisiny ny mofo fito sy ny hazandrano, dia nanaovany fisaorana sy novakìny ka nomeny ny mpianany, ary ny mpianany kosa nanome ny vahoaka. Dia nihinana izy rehetra ka voky, ary sobika fito no feno ny sombintsombiny sisa tsy lany nangonina.

Tamin'izany andro izany, nitsangantsangana teny amoron-dranomasin'i Galilea i Jesoa, ary nahita olona mirahalahy, dia i Simôna ilay atao hoe Piera sy i Andre rahalahiny, nanarato teo amoron'ny ranomasina, fa mpanarato izy ireo. Dia hoy Izy taminny : "Avia hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo". Dia nandao ny haratony niaraka tamin'izay izy ireo, ka nanarka Azy. Dia mbola nandroso ihany Izy, ka nahita olona mirahalahy hafa koa, dia i Jakôba zanak'i Zebede sy i Joany rahalahiny izay teo an-tsambo niaraka tamin'i Zebede rainy, nanamboatra ny haratony ; ary nantsoiny izy mirahalahy. Nandao ny haratony sy ny rainy niaraka tamin'izay izy ireo, ka nanaraka Azy.

Tamin’izany andro izany, rahefa niditra tao Kafarnaôma i Jesoa, dia nisy kapiteny anankiray nanatona Azy ka nihanta taminy nanao hoe: "Tompo ô, marary malemy mandry any an-trano ny ankizilahiko, sady mijaly mafy dia mafy." Ary hoy i Jesoa taminy: "Ho avy hanasitrana azy Aho." Fa namaly ilay kapiteny nanao hoe: "Tompoko, tsy mba mendrika hidiranao ao ambanin’ny tafon-tranoko aho, fa manonòna teny iray ihany, dia ho sitrana ny ankizilahiko. Fa na dia olom-pehezina aza aho, mba mifehy miaramila ihany koa, ka raha lazaiko amin’ny iray hoe: Andeha ianao, dia mandeha izy; ary amin’ny anankiray: Avia ianao, dia avy izy, ary amin’ny ankiziko: Ataovy izao, dia manao izy." Gaga i Jesoa nony nandre izany, ka hoy Izy tamin’izay nanaraka Azy: "Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mbola nahita finoana lehibe tahaka izany Aho tamin’i Israely. Ary izany koa no ilazako aminareo fa maro ny avy any Atsinanana sy avy any Andrefana no hipetraka hiara-mihinana amin’ny fihinanam-be miaraka amin’i Abrahama sy i Isaaka, ary i Jakôba any amin’ny Fanjakan’ny lanitra."

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...