Tamin’izany andro izany, rahefa nidina avy tany an-tendrombohitra i Jesoa sy ny mpianany, dia nanontany Azy ny mpianany nanao hoe: "Ahoana àry no ilazan’ny mpanora-dalàna fa tsy maintsy ho avy aloha i Elia?" Ary namaly Izy ka nanao hoe: "Tsy maintsy ho avy tokoa i Elia ka hanavao ny zavatra rehetra. Nefa lazaiko aminareo fa tonga sahady i Elia, fa tsy fantatry ny olona izy, ka nanaovany izay sitraky ny fony. Ary ho tahaka izany koa no hampijaliany ny Zanak’Olona." Dia fantatry ny mpianatra tamin’izay fa i Joany Batista no nolazainy taminy.

Tamin’izany andro izany i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe: "Amin’inona no hanoharako itý taranaka itý? Amin’ny ankizy madinika mipetraka eny an-kianja izay miantso ny namany, ka manao hoe: Nitsoka sodina taminareo izahay, nefa tsy nandihy ianareo; nanao hira mampalahelo izahay, nefa tsy nandòn-tratra ianareo. Fa tonga i Joany, tsy nihinana tsy nisotro, nataon’ny olona hoe: Azon’ny demony izy. Tonga indray ny Zanak’Olona, mihinana sy misotro, lazain’ny olona hoe: Lehilahy lian-kanina io, sady mpisotro divay sy sakaizan’ny poblikanina mbamin’ny olon-dratsy fiaina rehetra. Fa efa nohamarinin’ny asany ny Fahendrena."

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe: "Lazaiko aminareo marina tokoa fa amin’izay natera-behivavy mbola tsy nisy nitsangana izay lehibe noho i Joany Batista; kanefa izay kely indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra no lehibe noho izy. Ary hatramin’ny andron’i Joany Batista no ho mankatý dia azo an-keriny ny Fanjakan’ny lanitra, ka ny mpanao an-keriny no mahazo azy. Fa ny Mpaminany rehetra sy ny Lalàna dia naminany hatramin’i Joany, ary raha mety mino ianareo dia izy no ilay Elia ho avy. Izay manan-tsofina hihainoana aoka hihaino."

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Ahoana ny hevitrareo? Raha misy olona manana ondry zato, ka nania ny anankiray, moa tsy havelany eny an-tendrombohitra va ny sivy amby sivifolo; ka handeha hitady ilay nania izy? Ary raha sendra hitany izy, dia lazaiko marina aminareo fa iny anankiray iny aza no mahafaly azy noho ny sivy amby sivifolo tsy nania. Toy izany koa, tsy tian’ny Rainareo izay any an-danitra hisy very na dia ny anankiray amin’ireo madinika ireo aza."

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...