Tamin’ny andro nanoloran’ny ray aman-dreniny an’i Jesoa tao an-tempoly, dia nisy koa tao mpaminany vavy anankiray, dia i Ana, zanak’i Fanoela, fokon’i Asera; efa antitra dia antitra izy, dia fito taona no nanambadiany taorian’ny naha-virjiny azy ary efa mpitondratena tokony ho efatra amby valopolo taona, sady tsy niala tao amin’ny tempoly, fa nanompo an’Andriamanitra andro aman’alina tamin’ny fifadian-kanina sy fivavahana. Tonga koa izy tamin’izany fotoana izany, ka nidera an’Andriamanitra, ary nilazalaza ny Zaza tamin’izay rehetra niandry ny fanavotana an’i Jerosalema. Ary nony tanterak’izy ireo ny zavatra rehetra araka ny Lalàn’ny Tompo, dia nody tany Galilea tao Nazareta tanànany izy. Ary nitombo nihanatanjaka ny Zaza sady feno fahendrena, ary tao aminy ny fahasoavan’Andriamanitra.

Rahefa tapitra ny andro fidiovana araka ny lalàn’i Môizy, dia nentin’ireo ray aman-dreniny ho any Jerosalema i Jesoa mba hatolotra amin’ny Tompo, araka ny voasoratra ao amin’ny Lalàn’ny Tompo hoe: "Ny lahy voalohan-teraka rehetra dia hatao hoe: masina ho an’ny Tompo", ary mba hanatitra fanatitra domohina roa, na zana-boromahailala roa, araka ny voalaza ao amin’ny Lalàn’ny Tompo. Ary indro, nisy lehilahy atao hoe Simeôna tao Jerosalema, ary marina sady mpivavaka tsara izany lehilahy izany ka niandry ny fanalana alahelo an’i Israely, ary tao aminy ny Fanahy Masina sady efa nanambaran’ny Fanahy Masina izy fa tsy hahita fahafatesana mandra-pahitany an’i Kristin’ny Tompo. Dia nentin’ny Fanahy Masina izy hankao amin’ny tempoly, ka nony nitondra an’i Jesoa zazakely ny rainy aman-dreniny hanao araka ny voadidin’ny Lalàna ny aminy, dia nitrotro Azy izy ka nisaotra an’Andriamanitra nanao hoe: "Ankehitriny, ry Tompo, vao alefanao amim-piadanana araka ny teninao ny mpanomponao, fa ny masoko nahita ny famonjena avy aminao, izay namboarinao teo anatrehan’ny firenena rehetra, dia fahazavana hanilo ny Jentily sady voninahitr’i Israely olonao." Dia gaga ny ray aman-drenin’ny zaza noho ny zavatra nolazaina ny aminy. Ary nitso-drano azy ireo i Simeôna, ka nilaza tamin’i Maria renin’ny Zaza hoe: "Indro, itý Zaza itý no voatendry ho fandavoana sy ho fananganana ny maro amin’i Israely ary ho famantarana hotoherina, — ary ny fanahinao aza hotanterahin-tsabatra, — mba hiseho ny hevitry ny fo maro."

Tamin'izany andro izany, nony lasa izy ireo Majy, indro nisy anjelin'ny Tompo niseho tamin'i Josefa tamin'ny nofy ka nanao hoe: Mifohaza hianao, ka ento ny Zazakely sy ny reniny, ary mandosira any Ejipta, dia mitoera any ambara-pilazako aminao indray, fa Heroda efa hitady ny Zazakely hovonoiny. Mbola alina dia nifoha izy, nitondra ny Zazakely sy ny reniny, ka lasa nankany Ejipta. Ary dia nitoetra tany izy ambara-pahafatin'i Heroda, mba ho tanteraka ny tenin'ny Tompo voalazan'ny mpaminany hoe: Nantsoiko hiala tany Ejipta ny Zanako. Ary nony efa hitan'i Heroda fa voafitaky ny Majy izy, dia tezitra indrindra izy ka naniraka namono ny zazakely rehetra tao Betlehema sy tamin'ny tany manodidina, hatramin'ny roa taona no ho midina, araka ny andro nofotopotorany tamin'ny Majy. Dia tanteraka tamin'izay ny tenin'i Jeremia mpaminany manao hoe: Nisy feo re tao Rama, dia fitomaniana sy fidradradradrana mafy: Rasely nitomany ny zanany, ka tsy azo nampiononina, fa tsy eo intsony ireny.

Tamin'ny andro voalohan'ny herinandro, i Maria Magdalena lasa nihazakazaka nankany amin'i Simona Piera sy ilay mpianatra malalan'i Jesoa, ka nanao tamin'ireo hoe: Nalain'olona tao am-pasana ny Tompo, ka tsy fantatray izay nametrahany azy. Dia mba lasa koa i Piera sy ilay mpianatra anankiray nankany amin'ny fasana, ka niara-nihazakazaka izy roa lahy, saingy nandeha faingampaingana kokoa ilay mpianatra anankiray, ka tonga talohan'i Piera tao amin'ny fasana. Dia niondrika izy, ka nahita ny lamba nipetraka teo, nefa tsy niditra. Nony tonga kosa Piera nanarakaraka azy, dia niditra teo am-pasana ka nahita ny lamba nipetraka teo, sy ny lamba nasarona ny lohany, tsy niara-nipetraka tamin'ny lamba fa nivalona nitokana terý. Dia niditra koa ilay mpianatra izay tonga taloha teo amin'ny fasana, ary nahita ka nino.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...