Tamin’izany andro izany, i Jesoa sy ny mpianany nankany amin’ny vohitra manodidina an’i Sezarean’i Filipo, ary teny an-dalana dia nanontany ny mpianany Izy nanao hoe: "Ataon’ny olona ho iza moa Aho?" Ary ireo namaly Azy, nanao hoe: "I Joany Batista, hoy ny sasany; i Elia, hoy ny sasany; ary anankiray amin’ny mpaminany, hoy kosa ny sasany." Hoy Izy tamin’izy ireo: "Fa ianareo kosa, manao Ahy ho iza?" Dia namaly i Piera ka nanao taminy hoe: "Ianao no i Kristy." Ary norarany mafy izy ireo mba tsy hilazalaza Azy na amin’iza na amin’iza. Tamin’izay, nambarany tamin’izy ireo fa ny Zanak’Olona dia tsy maintsy hijaly mafy sy hatosiky ny loholona mbamin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, ary hovonoina, fa hitsangana indray raha afaka hateloana, sady nataony mazava tsara no filaza izany. Dia nentin’i Piera nitanila Izy ka noteneniny mafy. Fa nihodina nijery ny mpianany Izy, ary niteny mafy an’i Piera hoe: "Mialà amiko, ry Satana, satria tsy mihevitra araka an’Andriamanitra ianao, fa araka ny olombelona."

Tamin’izany andro izany, tonga tany Betsaida i Jesoa sy ny mpianany, ary nisy nitondra lehilahy jamba anankiray teo aminy, sy nangataka taminy mba hanendry azy. Dia noraisin’i Jesoa ny tanan’ilay jamba ka nentiny nivoaka ny tanàna izy; nasiany rora ny masony, nametrahany tanana izy, ary nanontaniany raha mahita zavatra. Dia niandrandra ilay jamba ka nanao hoe: "Ny fahitako ny olona mamindra dia sahalahala amin’ny hazo." Dia nametrahany tanana indray ny masony, ka nasainy nijery izy, izay vao sitrana tsara sy nahita mazava ny zavatra rehetra. Ary nasain’Jesoa nody any an-tranony izy sy nilazany hoe: "Modia any an-tranonao, fa aza miakatra ao an-tanàna na milaza izany amin’ny olona ao an-tanàna."

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niara-nidina tamin’izy roa ambin’ny folo lahy ka nankeo amin’ny tany lemaka izay nijanonan’ny mpianany maro sy ny vahoaka betsaka avy tany Jodea rehetra sy Jerosalema, ary ny tanin’i Tira sy i Sidôna amorontsiraka. Tamin’izay, dia niatrana nijery an’ireo mpianany Izy, ka nanao hoe: "Sambatra ianareo mahantra, fa anareo ny Fanjakan’Andriamanitra. Sambatra ianareo noana ankehitriny, fa ho voky ianareo! Sambatra ianareo mitomany ankehitriny, fa hifaly ianareo. Ho sambatra ianareo raha hankahalain’ny olona, horoahiny amin’ny fikambanany, hotevatevainy ary holaviny toy ny zava-dratsy ny anaranareo noho ny amin’ny Zanak’Olona. Mifalia ianareo amin’izany andro izany ary miravoravoa, fa indro lehibe ny valisoanareo any an-danitra; fa tahaka izany koa no nataon’ny razany tamin’ny Mpaminany. Fa mila loza kosa ianareo mpanan-karena, fa manana ny fahafaham-ponareo ianareo. Mila loza ianareo izay voky ankehitriny, fa hitomany sy higogogogo ianareo. Mila loza ianareo raha ataon’ny olona tsara laza, fa tahaka izany no nataon’ny razany, tamin’ny mpaminany sandoka."

Tamin’izany andro izany, nony vita ny vakinteny nataon’i Jesoa tao amin’ny bokin’i Izaia Mpaminany, dia nifantoka tany aminy avokoa ny mason’ny olona rehetra tao amin’ny sinagôga, ka dia rafitra niteny taminy indray i Jesoa nanao hoe: "Androany no efa tanteraka eo amin’ny sofinareo izany Soratra izany". Ary nankalaza Azy izy rehetra, sady talanjona noho ny tenim-pahasoavana naloaky ny vavany, ka hoy izy ireo: "Tsy ny zanak’i Jôsefa va ity?" Ary hoy kosa i Jesoa taminy: "Marina raha tsy ataonareo amiko ilay ohabolana hoe: ‘Dokotera, sitrano aloha ny tenanao’. Ny zava-mahagaga renay nataonao tany Kafarnaôma mba ataovy eto amin’ny tany nahabe Anao koa". Dia notohiziny hoe: "Lazaiko marina aminareo fa tsy misy mpaminany hajaina amin’ny tany nahabe azy. Ary lazaiko marina aminareo koa, fa maro ny mpitondratena tamin’i Israely tamin’ny andron’i Elia, raha nihantona telo taona sy enim-bolana ny orana ka voan’ny mosary mafy ny tany rehetra, nefa tamin’izy ireo tsy nisy nanirahana an’i Elia na dia anankiray aza, fa tamin’ilay vehivavy mpitondratena tany Sarepta any amin’ny tany Sidôna ihany; ary be koa no boka tao amin’i Israely tamin’ny andron’i Elisea mpaminany, nefa tsy nisy sitrana na iray aza, fa i Naamàna Sirianina ihany". Dia tezitra mafy izay rehetra tao amin’ny sinagôga raha nandre izany, ka tafatsangana nandroaka Azy hiala ao an-tanàna, sady nitondra Azy tany an-tampon’ny tendrombohitra iorenan’ny tanànany mba hazerany any an-tevana; fa namaky teo afovoan’izy ireo Izy dia lasa.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 mey 2024

♦ Nodimandry teo amin'ny faha-95 taonany i P. Giovanni Follese, antsoina ihany koa hoe Mompera Joany, avy amin'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco... ♦ Manasa antsika rehetra hivavaka ho an'ny fiofanan'ny relijiozy sy ny seminarista, ny Papa François, ao anatin'ny tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana mey ity... ♦ Tanjona ho an'ny Antilin'i Madagasikara ny hanana fanabeazana tsaratsara kokoa, izany no antony nanatontosan'izy ireo ny fiofanana tao anatin'ny valo andro, izay nanomboka ny 27 aprily hatramin'ny 5 mey 2024, ho an'ny Diôsezin'i Mahajanga...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...