Isan-taona ny ray aman-drenin’i Jesoa dia nankany Jerosalema amin’ny andro fetin’ny Paka; ka nony efa roa ambin’ny folo taona Izy-, dia niakatra araka ny fanao amin’izany fety izany izy ireo. Ary nony tapitra ny andro fety ka nody izy, dia nijanona tany Jerosalema i Jesoa Zazakely, nefa tsy fantatry ny ray aman-dreniny izany. Nataon’izy ireo hoe niaraka tamin’ny niray dia taminy Izy, ka nandeha lalana indray andro vao nitady Azy tamin’ny havany sy ny olom-pantany; ary nony tsy nahita Azy, dia niverina tany Jerosalema indray nitady Azy.

Ary nony afaka hateloana, dia hitany tao anatin’ny Tompoly Izy nipetraka teo afovoan’ny mpampianatra, ka nihaino sady nanontany azy, ary talanjona izy rehetra nandre Azy noho ny fahendreny sy ny famaliny. Ary nony nahita Azy izy ireo dia gaga, ary hoy ireniny taminy: "Anaka, nahoana Ianao no nanao toy izany taminay? Inty irainao sy izaho malahelo mitady Anao". Fa hoy Izy taminy:

"Nahoana no nitady Ahy ianareo? Tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho ao amin’ny Raiko Aho?" Faingy tsy azon’izy ireo ny teny nolazainy taminy. Dia niara-nidina taminy nankany Nazareta Izy, ary dia nanaiky azy; fa ireniny kosa nandinika tsara izany zavatra rehetra izany tao am-pony. Ary i Jesoa nitombo fahendrena sy tena, ary nandroso nahatehotia tamin’Andriamanitra sy ny olona.

Filazana ny razan'i Jesoa Kristy, Zanak'i Davida zanak'i Abrahama. I Abrahama niteraka an'i Isaaka; i Isaaka niteraka an'i Jakôba; i Jakôba niteraka an'i Jodà mirahalahy avy; i Jodà niteraka an'i Faresa sy i Zarà tamin'i Tamara; i Faresa niteraka an'i Esrôna; i Esrôna niteraka an'i Arama; i Arama niteraka an'i Aminabada; i Aminabada niteraka an'i Naasôna; i Naasôna niteraka an'i Salmôna; i Salmôna niteraka an'i Bôôza tamin'i Rahaba; i Bôôza niteraka an'i Obeda tamin'i Rota; i Obeda niteraka an'i Jese; i Jese niteraka an'i Davida mpanjaka. I Davida mpanjaka niteraka an'i Salômôna tamin'ilay vadin'i Oria; i Salômôna niteraka an'i Rôbôama; i Rôbôama niteraka an'i Abiasa; i Abiasa niteraka an'i Asà; i Asà niteraka an'i Jôsafata; i Jôsafata niteraka an'i Jôrama; i Jôrama niteraka an'i Oziasa; i Oziasa niteraka an'i Jôatama; i Jôatama niteraka an'i Akaza; i Akaza niteraka an'i Ezekiasa; i Ezekiasa niteraka an'i Manase; i Manase niteraka an'i Amôna; i Amôna niteraka an'i Jôsiasa; i Jôsiasa niteraka an'i Jekôniasa mirahalahy avy, tamin'ny andro nifindrana tany Babilôna.

Ary rehefa nifindra tany Babilôna i Jekôniasa niteraka an'i Salatiela; i Salatiela niteraka an'i Zôrôbabela; i Zôrôbabela niteraka an'i Abioda; i Abioda niteraka an'i Eliakima; i Eliakima niteraka an'i Azôra, i Azôra niteraka an'i Sadôka; i Sadôka niteraka an'i Akima; i Akima niteraka an'i Elioda; i Elioda niteraka an'i Eleazara; i Eleazara niteraka an'i Matàna; i Matàna niteraka an'i Jakôba; i Jakôba niteraka an'i Jôsefa vadin'i Maria izay niteraka an'i Jesoa, ilay atao hoe Kristy.

Koa ny taranaka rehetra hatramin'i Abrahama ka hatramin'i Davida dia taranaka efatra ambin'ny folo; ary hatramin'i Davida ka hatramin'ny nifindrana tany Babilôna dia taranaka efatra ambin'ny folo; hatramin'ny nifindrana tany Babilôna ka hatramin'i Kristy dia taranaka efatra ambin'ny folo.

Ary toy izao no nahaterahan'i Kristy: i Maria Reniny dia efa fofombadin'i Jôsefa; fa raha mbola tsy niray trano izy ireo dia hita fa nanana anaka avy tamin'ny Fanahy Masina izy. Ary i Jôsefa vadiny, noho izy lehilahy marina, sady tsy ta hanala baràka azy, dia nikasa hametraka azy mangingina. Nefa raha mbola nieritreritra izany izy, indro nisy Anjelin'ny Tompo niseho taminy, tamin'ny nofy, ka nanao hoe: "Ry Jôsefa zanak'i Davida, aza matahotra ny hampakatra an'i Maria vadinao, fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin'ny Fanahy Masina, ary hiteraka Zazalahy izy, ka ny Anarany hataonao hoe Jesoa, fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin'ny fahotany". Ary izany rehetra izany no tonga, dia mba hahatanteraka izay nampilazain'ny Tompo ny mpaminany hoe : Indro ny Virjiny hitoe-Jaza ka hiteraka Zazalahy, ary ny Anarany hatao hoe Emanoela, izany hoe amintsika Andriamanitra". Ary rehefa nahatsiaro tamin'ny torimaso i Jôsefa, dia nanao araka izay nandidian'ny Anjely azy, ka nampakatra ny vadiny; ary tsy nahalala azy izy ambara-piterany ny Zanany Lahimatoa, ary nataony hoe Jesoa no Anarany.

Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny dia tao amin’Andriamanitra, ary Andriamanitra ny Teny. Tao amin’Andriamanitra tamin’ny voalohany Izy, Izy no nahariana ny zavatra rehetra, ary raha tsy Izy, tsy nisy ary ny zavatra àry rehetra. Tao aminy ny fiainana, ary ny fiainana no fahazavan’ny olona. Ary mamirapiratra amin’ny maizina ny fahazavana, fa tsy nandray Azy ny maizina.

Nisy lehilahy anankiray nirahin’Andriamanitra, Joany no anarany; tonga ho vavolombelona hanambara ny Fahazavana izy, mba hinoan’ny olon-drehetra noho ny teniny. Tsy izy anefa no Fahazavana, fa tonga ho vavolombelona manambara ny Fahazavana fotsiny izy.

Fa ny Teny ihany no tena Fahazavana, izay manazava ny olona rehetra tonga amin’izao tontolo izao, nefa tsy nahalala Azy izao tontolo izao. Tonga teo amin’ny olony Izy, fa ny olony tsy nandray Azy. Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny fahazoana ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny Anarany, ka tsy mba nateraky ny ra na ny sitra-pon’ny nofo, na ny sitra-pon’ny olona ireo, fa nateraka avy amin'Andriamanitra. Ary ny Teny dia tonga nofo, ka nonina taty amintsika; ary nibanjina ny voninahiny izahay, dia voninahitra tahaka izay zakain-janaka Lahy tokana avy amin’ny Rainy, sady feno fahasoavana sy fahamarinana Izy.

Nanambara Azy i Joany ka niantso nanao hoe: "Izy ilay nolazaiko hoe: Izay avy, ao aoriako dia efa tonga eo alohako, satria talohako Izy". Ary avy amin’ny hafenoany no nandraisantsika rehetra fahasoavana miampy fahasoavana, satria ny Lalàna moa nomena tamin’ny alalan’i Môizy, fa ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia avy amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Tsy dia nisy nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana, fa ny Zanaka tokana izay ao anatin’ny Ray ihany no hany nanambara Azy.

Rehefa nandao ny mpiandry ondry ny Anjely ka nankany an-danitra, dia niresaka ireo mpiandry ondry nanao hoe : "Andeha isika ho any Betilehema hizaha izany zavatra vao tonga nampahafantarin'ny Tompo antsika izany". Dia nankany haingana izy, ka nahita an'i Maria sy i Josefa ary ny Zazakely mandry amin'ny fihinanam-bilona; ary rehefa nahita izy ireo, dia nampiely ny teny nolazaina taminy ny amin'izany Zaza izany. Ary izay rehetra nandre dia gaga avokoa tamin'izay nolazain'ny mpiandry ondry taminy; fa i Maria kosa nitadidy izany zavatra rehetra izany ka nieritreritra azy tao am-pony. Ary nody ny mpiandry ondry nidera sy nankalaza an'Andriamanitra noho ny zavatra rehetra reny sy hitany, araka izay nolazaina taminy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...