Ny olona rehetra dia mety ho tratran'ity olana ity, ireo 6 volana no mihoatra, fa ireo 55 taona no mihoatra no tena tratran'ity "mifarina" ity. Samy manana ny fahazarany sy ny toe-batany ny olona tsirairay, amin'ny resaka fivalanana (mangery) mety hoe in-dray hatramin'ny in-telo isan'andro, mety in-droa na in-telo isan-kerinandro. Ny mifarina eo amin'ny olon-dehibe dia ireo izay mangery latsaky ny in-telo isan-kerinandro. Ny tsy fahampian-drano anatin'ny vatan'ny olona no mety ho antony...  Fandaharana "andriano ny fahasalamana" eto amin'ny radio Don Bosco.

Maro amin'ireo tantsaha ato amin'ny Faritra Analamanga no resy lahatra amin'ny fampiasana zezika biôlôjika tsy misy taharo simika. 10 taona nirotsahana an-tsehatra sy nampitombo fahalalana amin'ny famokarana zezika kaompôsta Andriamatoa Randriamijoro Jacques Lucien ary nahita fahombiazana tamin'izany...

Ny aretina "tefoedra" dia antsoina ihany koa " salmonellose", aretina efa ela no nisy, izy mety hafaty raha toa ka tsy voatsabo tsara. Ao amin'ny atin'ny olona (afero) no mitoetra ny otrik'aretina mahatonga ny tefoedra. Aretina misy mandavantaona, mifindra amin'ny alalan'ny fiparitahan'ny tay misy otrik'aretina ny tefoedra (lalitra, rano tsy voadio, tanana maloto). Ny fotoana fihotrehany dia 8 hatramin'ny 14 andro...  Fandaharana "andriano ny fahasalamana" eto amin'ny radio Don Bosco.

Nahitam-bokatra ny sehatr'asan'ny OSCEAH na ny firaisamonim-pirenena misehatra amin'ny rano, ny fidiovana ary ny fanadiovana tamin'ity taona ity. Miompana amin'ny zo fototra maha-olona ny rano, ny fidioavana ary ny fanadiovana ary ny fanadiovana ; ka niompana tamin'izany ny sehatr'asan'izy ireo. Manampy ny hisian'ny hay tantana koa izy ireo. Ny hanànana politika nasiônaly no asa voalohany natao. Misy ny dingana vita momba ny famolavolana azy io ary hivoaka ato ho ato amin'ity volana desambra ity. Sarotra hoy Andriamatoa Ravelosaona Arsène, filohan'izany firaisamonim-pirenena izany ny fametrahana azy...

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...