Lasa ampahany lehibe amin’ny fiainan’ny tanora ankehitriny ny interneto sy ny tambajotra-tserasera. Sehatra iray manampy amin’ny fianarana, fifandraisana, fitadiavana vaovao, fanehoana talenta ary fananganana fahafahana vaovao izy ireo. Kanefa, miaraka amin’izany dia misy ihany koa ireo loza mety hitranga toy ny vaovao diso, fanorisorenana an-tserasera, fisolokiana, famitahana ary fampiasana tafahoatra. Ny interneto dia fitaovana mahery vaika; miankina amin’ny fomba ampiasantsika azy no hahatonga azy ho fanampiana na ho fandrika... Fandaharana "Miaina sy mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona araka ny fomba malagasy, nanomboka ny taona 2021 no nananganan'ny Papa François ny andro maneran-tany ho an'iretsy voatanisa etsy aloha. Tamin'ny alahady 26 jolay 2026 teo no fankalalazana natao teo anivon'ny fiangonana, izay fankalazana ny fetin'i Masindahy Joachim sy Masimbavy Anne, ireo ray aman-drenin'i Masina Maria, izany hoe raibe sy renibe an'i Jesoa. Ny soatoavina Malagasy dia manome lanja sy haja ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona.... Fandaharana "Miaina sy mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Andriamanitra dia fitiavana, ny fitiavana no fototry ny fiainan'ny olombelona. Tandindonin-doza ny ho avin'ny rehetra noho ny fiovan'ny rafi-piaraha-monina vokatry ny rivotra entin'ny tambazotran-tserasera izay manimba ny fifandraisana sy ny maha-olona (saina, fo, vatana, fanahy). Ny fanajana sy ny fifanajana no fefy hiarovana ny fiaraha-monina, izay miainga amin'ny fitiavana. Ndeha hosanatriavina ny hoe KARAVASI (KARAna - VAzaha - SInoa) no hany hampandroso ny firenentsika fa mba izay soa nomen-janahary an'i Madagasikara. Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo.

Amin'ny zanak'olombelona dia tsy misy ny fahombiazana raha tsy miasa, anefa ny fialan-tsasatra ihany koa dia mety mitondra fahombiazana. Ny atao hoe "fialan-tsasatra" dia matetika ho an'ny mpianatra anefa fiatoana kely aorian'ny asa natao na hetsika vita, fanaovana zavatra vaovao; ny fahombiazana dia firosoana amin'ny tsara kokoa, indrindra mitondra soa ho an'izay manao ny hetsika. Mitondra fahombiazana ny fialan-tsasatra raha toa ka niainga tamin'ny faharesen-dahatra, ka nahazo fahalalana vaovao, raha nampisongadina ny soatoavina sy ny fomba amam-panao taloha... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 2 nôvambra 2026

• Volana nôvambra, fotoana anentanan'ny Eglizy ny fahatsiarovana sy ny fitondrana am-bavaka ireo efa nodimandry… • Tonga eto Madagasikara tamin'ny sabotsy 31 ôktôbra 2026, ny Lehiben'ny Fikambanana Ordre des Carmes Déchaux maneran-tany… • Antso iombonana ny fahamasinana fa tsy tombony ho an'ny olona tsirairay manokana, io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly…

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...