Tsy atao hifaninànana akory ny olombelona mpiara-belona aminao, sakamalo sy havozo ka samy manana ny hanitra ho azy. Ny olonna tsirairay dia tokony hanana fototra tsara. Mandeha ho azy ny fihetsika rehefa voataiza tsara ny toe-tsaina. Ny mpiara-belona amintsika dia tsy fahavalo fa manana fijery hafa fotsiny, tsy ny olona no atao hoe fahavalo fa ny tranga-piainana no atao hoe fanamby hihorana. Tsy hatao ao an-tsaina loatra ny hoe "ady ny fiainana" mba hitoetra ny fahatokisan-tena sy ny risim-po ary mba handresena ny tahotra...
Ny fo mivonto na mihangeza dia tsy hita avy ety ivelany fa amin'ny alalan'ny fitilina "radio na écographie". Ny antony mety hatonga io aretina io dia mety misy sakatsakana na tsentitsentsina ny lalan-drà ka mandreraka ny fo, tosi-drà ambony, aretin'ny aty vava. Misy fambara azo hamantarana azy io aretina io, toy ny : fahenoana marary ao anaty tratra, sahala amin'ny hoe misy manindry ny tratra, fahatsapana zavatra manindrona ao anaty fo. Ny fo dia milanja 300 hatramin'ny 350g...
Sambany isika teto Madagasikara no nankalaza ny andro eran-tany ho an'ny tantely tamin'ity taona ity. Manan-danja lehibe amin'ny fiainan'ny olombelona sy ny famokarana ny tantely...
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco