Mila mahay manome fitiavana sy mandray fitiavana isika. Mila fandinihantena izany rehefa mifarana ny tontolo andro. Tena fanazarantena ilaina izany hanatsara ny fiainantsika sy ny manodidina antsika, ary mamporisika antsika hifandray amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny vavaka. Fandraharana "Mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
Ny Kistan'ny atodinaina dia fivontosana hita eo amin'ny atodinaina na "ovaire", ity farany moa dia taova iray ao anatin'ny taovam-pananahan'ny vehivavy. ity tranga ity dia mety hiseho ho an'ny vehivavy rehetra ao anatin'ny taona ahafahana miteraka. Ny antony mety mahatonga io kista io dia ny fikorontanan'ny tsirim-panentana eo amin'ny vehivavy. Ny fambara : mikorontana ny fadimbolana ary marary. marary ny andoha vania amin'ny fotoana maha lonaka, marary rehefa manao firaisana ara-nofo...
Ketsa saraka, nahatratra 15 taonina mahery ny vokabarin'i Jeneraly Rabemanantsoa Robert tamin'ny fampiasàna azy. Manamboninahitra ambony misotro ronono nanana andraikitra ambony tao amin'ny tafika malagasy tamin'ny fotoan'andro. Liana amin'ny voly vary.
Ny "fibrome myome" dia fivontosana eo amin'ny nofo mamono ny tranonjaza, satria ity farany dia misy fonony. Io fivontosana io dia tsy mivadika ho homamiadana mihitsy. Ny antony mety hatonga io fivontosana io dia mety ho fikorontanan'ny tsirim-panentana ; metsaka loatra ny tahan'ny "oestrogène" na tsy ampy ny "Progestérone". Mety ho antony ihany koa ny fihinana na fiosorana vokatra misy "oestrogène"...
• Hotanterahana ny alahady 10 aogositra 2025, ny fametrahana amin'ny fomban'ny Fiangonana eo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy an'i Mgr Marek Ochlak... • Mampitodika antsika hivavaka ho an'ireo fiaraha-monina sy firenena sarotra mihavana, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany ho an'ity volana aogositra ity... • Nandefa hafatra ho an'ireo nandray anjara tamin'ny Fihaonan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Afrika sy i Madagasikara, ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco