Nitatitra ny iraka nampanaovina azy i Pita. Any Mahela no monina ilay rahavavy kambana amin'i Line Bordas. Maika i Line, nanadihady ny momba ny toerana tamin'i Pita. Nampitandrina azy i Noro tsy hitsabatsabaka fahatany any an-tanànan'olona any.

Nalefa hamita iraka i Pita. Hanadihady ny momba ilay kambana amin'i Line Bordas. Nosakanan'i Sambivelona tompon-tanàna mahafantatra tsara ny tantara an-dàlana i Noro, ary norahonany  hoe : raha te ho fohy aina sy te ho kizo fara dia misangisangia ozona amin'ireny zaza kambana ireny.

Tsy nahatafavoaka feo i Solo tanora ao amin'ny Oratorion'i Don Bosco, nefa hanao fampisehoana ary mpandray anjara fototra amin'ny seho an-tsehatra. Natakalon'i Don Bosco tamin'ny feony ny aretin'i Solo. Vita ny fampisehoana.

Hitan'i Line Bordas ilay silany notadiaviny. Anton-diany eto Madagasikara. Nivaloharika izy, nila tsy hahajoro intsony fa nalemy tanteraka niatrika ny zava-nisy. Na i Noro aza niantso an'Andriamanitra vao nitampim-bava nahita ity kambana amin'i Line Bordas, voarakitra an-tsary tao anaty "caméra".

Sous-catégories

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...