Tahaka an'i Tody, tsy nampoizin-dramatoa talen'ny trano fitaizana zaza kambana fa i Line Bordas ilay vahiny efa nandrasana hatry ny ela, na dia efa niatrika azy nanoloana aza izy. Vahiny tompon-trano tokoa satria ny hany iavahany amin'ny tera-tany Malagasy ray sy reny dia ny fiteny Malagasy tsy dia manavanana azy loatra, teo amin'ny fanononana.

Nilatsaka ho mpandamina ny fifamalian'ny mompera namany sy ilay mpandroaka sarety i Don Bosco. Fifamaliana vokatry ny faniratsiran'ilay mpandroaka sarety ny Anaran'Andriamanitra Tsitoha. Tamin'ny halemem-panahy no nitondran'i Don Bosco izany, ary niafara tamin'ny kofesy nataon'ilay mpandroaka sarety.

Na dia efa nifanatrika tamin'i Line Bordas aza i Tody vadin'i Noro, dia tsy nanam-po velively fa izy ilay vahiny notsenain'i Noro hatrany Antananarivo. Tsy nijanona tamin'ny fahagagany ihany izy fa niampita tamin'ny fanadihadiana bebe kokoa ny momba an'i Line Bordas sy ity anton-diany manokana aty Madagasikara.

Nampikofesy sy nampanao lamesa ireo tanora voafonja tamin'ny toerana iray i Don Bosco, ka reraka mafy noho izany. Rehefa handeha hody izy dia tsy tadidiny intsony ny varavarana ivoahana ny fonja ka tafatsofoka tsinahy tao amin'ny tokantranon'ilay tompon'andraikitra mpanameloka ho faty, ireo mahazo izany sazy izany. Rehefa nifanerasera tamin'i Don Bosco izy nanomboka teo, dia tapa-kevitra ny hiala amin'izany asa ratsy izany.

Sous-catégories

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...