Rainandriamampandry dia olomangam-pirenena tena tia tanindrazana. Rabezandriny no tena anarany fa amin'ny fiaraha-monina anefa dia matetika takona ao ambadiky ny anaran-janaka ny anaran'ny ray, izy moa nanana zanaka natao hoe Andriamampandry raha teo. Rainandriamampandry dia evanjelistra, mpampianatra, mpahay tantara sy jeografia ary mpikaroka momba ny teny sy ny kolontsaina. Ity olomangam-pirenena ity dia efa governora tao Toamasina, izay vavahadin'i Madagasikara sy renivohitra diplômatika, mpitaritafika nampihaiky ny fahavalo izy, ary efa niandraikitra ny asan'ny ministry ny atitany...
Araka ny angona noraiketin'ny Pastora Ravelojaona dia karazana sakafo miisa 7 na mihoatra, miavaka amin'ny fihinana andavanandro ; sakafo atao amin'ny fanasàna sy lanonana. Ny karazan-tsakafo fahandro tamin'izany natao ho laoka dia ny karazam-borona, biby tongotra efatra, hazandrano, zava-maniry. Isan'ny zava-maniry tena niavaka ny olatra ; maro ny karazan-tsakafo tsy tera-tany dia teto Madagasikara toy ny bitro, gisa, kanakana. Ny ravin-tsaonjo dia natao ihany koa hoe hen'ondrin'ny malahelo...
Ny famaritana ny "hanim-pitoloha na hanina fitoloha" dia nivoatra nifanaraka tamin'ny fotoana, ka eo izay nangonin'ny Pretra misiônera Zezoita Georges Callet, fa eo koa izay araky ny firaiketana nataon'ny Pastora Ravelojaona. Nanodidina ny vanim-potoana nitondran'ny Mpanjaka Ranavalona-II dia noentina nanantanerahana fomba iray, ho an'ny vehivavy misantatra ny fanenomana landy, eo amin'ny zoro firariazana no hitsofan-drano io olona io ary hanomanana sakafo : Akoholahy mena, akondro vokatra, patsa, toho, sira, horirika, vary. Tara-kevitra avy amin'ny hoe fitoloha : fahavelomana, fahafenoana, fahatanterahana, fahatsaràna, fihavahana, famokarana ary fahavononana.
Ny Pôeta Radialph avy any Vatomandry, amin'ny Faritra Atsinanana no nipoiran'ny hai-famoronana "TÔKALO". Tamin'ny taona 1999 no namoronana ity tôkalo ity, taorian'ny fahatsapana fa somary latsa-danja amin'ny literatiora sy ny lahabolana rehetra ny tononkalo, nikaroka fomba hisarihana ny mpihaino ny mpamorona ka ny fampifandraisana ny Tôkatôka sy ny Tononkalo no vokatry ny saina ; misy antsikana ao anatin'ny sangan'asa tanteriny, misy mpiantsa sy mpiventy.
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco