♦ Ho mafimafy ny asa miandry ny mpitandro filaminana amin'ny fanatanterahana ny politika ankapoben'ny fitondrana raha ny  vina amin'ny taona 2021... ♦ Vahaolana hisorohana ny kere mahazo ny eny ambanivohitra, araka ny hevitry ny Tranoben'ny Tantsaha Mpamokatra Nasionaly ny fanaovan'ny kaoperativa tahirim-bary hiatrehana ny mainttso ahitra...

♦ Misy manafina ny vary vokatra eto Madagasikara hoy ny vovonan'ny mpisehatra eo amin'ny vary eto amintsika. Isan'ny antony mampiakatra ny vidim-bary eny an-tsena izany... ♦ Mpanao gazety miisa 50 no namoy ny ainy teo am-panantanterahany ny asany teo anelanelan'ny 01 janoary hatramin'ny 15 desambra 2020, araka ny tatitry ny Reporters sans frontières androany...

♦ Tsy nahomby ny hetsika nataon'ny ministeran'ny indostria sy ny varotra mahakasika ny fifehezana ny vidin'ny PPN eto Madagasikara, niakatra avokoa ny vidin'entana ilain'ny mponina andavanandro... ♦ Nohamafisin'ny Papa François omaly, fa ahena ny isan'ny tompon'andraikitry ny lafiny toe-karena eo anivon'ny fiketrahana masina...

Talata 29 desambra 2020 — Andro fahadimy amin'ny havaloan'ny Noely — Andro masina no mamirapiratra ho antsika : avia, ry vahoaka, hitsaoka ny Tompo, fa hazavana lehibe no tonga eto ambonin’ny tany amin’izao andro izao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 2, 22-35

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...