Alahady 05 aprily 2020 — Ny nidiran'i Jesoa tao Jerosalema — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 21, 1-11 — Ho antsika, dia nanolo-tena i Kristy hanaiky hatramin'ny fahafatesana, dia fahafatesana tamin'ny Hazofijaliana. Ho valin'izany kosa, dia nasandratr'Andriamanitra ambony indrindra Izy : ary nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra.
Ny 5 hatramin'ny 13 Aprily lasa teo no nanatanterahana ny herinandro masina niavaka indrindra. Noho ny amehana ara-pahasalamana nisy dia tao amin'ny Lasapely ihany no nanatanterahana ireo fankalazana rehetra, nanomboka tamin'ny sampan-kazo ka hatramin'ny andron'ny paka.
Hatramin’ny nisian’ny valan’aretina Coronavirus teto Madagasikara, fepetra maro no noraisina mba hiarovana ny fiparihany eto amin’ny firenena. .
Nandefa horonan-tsary, hafatra ho an'ny mpino ny papa François amin'izao fankalazana ny Herinandro masina izao. Manentana ny tsirairay ny Ray masina mba hahay hanararaotra izao vanim-potoana mihavaka izao. Mila ny "fahaiza-mamorona atosiky ny fitiavana" isika, hoy ny papa, mba handrosoana lavitra kokoa. Araho ny horon-tsary miaraka amin'ny dikan-teny malagasy.
• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco