Ny fiainana andavanandron'i Jesoa dia nikatsaka ny fanjakan'Andriamanitra "Tompon'ny lanitra sy ny tany, tompon'ny fanjakàna rehetra". Mazava izany araka izay voasoratra ao amin' Matio : "koa katsaho àry aloha ny fanjakan'Andriamanitra sy ny fahamarinany dia homena izany rehetra izany ianareo ho fanampiny... Katesizy momba ny vavaka nampianarin'ny Tompo, iarahana amin'i P. Wagner Randriamapandry.

24 desambra 2024 — Herinandro mialoha ny Noely — Ry ilay Mpanjakan’ny firenena rehetra, avia ary vonjeo ny olona izay noforoninao tamin’ny vovotany — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka 1, 67-79

  • Nanambara ôfisialy ny Vondron'Antoko Pôlitika Firaisankina androany teny Bel-Air, fa tsy mankato sy tsy hanaiky ireo voka-pifidianana azo tamin'ny alalan'ny halatra sy hosoka...
  • Tokony manaiky resy izay tsy nahomby tamin'ny fifidianana, hoy ny Vovonana IFI...
  • Vita soa aman-tsara ny fifaninanana handraisana ireo mpandraharaha ny fonja miisa 600. Efa andrasana ny valin'ny fifaninanana...

  • Hosokafana ny alahady 29 desambra 2024 ny Varavarana Masina ao amin'ny Katedraly Andohalo, ho fanamarihana ny fanokafana ny Taon-jobily eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo...
  • Hankalazaina ny 12 janoary 2025 ny fetin'ny Seminera Zandriny Ambohipo, izay eo ambany fiarovan'ny Fianakaviana Masina...
  • Mahaiza misaotra ny fanomezana ny fiainana, hoy ny Papa François, fa famantarana mahagaha avy amin'Andriamanitra izany...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 23 jona 2025

• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...