15 febroary — I Claude La Colombière dia teraka tamin'ny taona 1642 tao amin'ilay tanana antsoina hoe Saint-Syphorien-d'Ozon ary maty tao Paray-le-Monial ny 15 febroary 1682. Tao Avignon izy no novisy tao amin'ny Fikambanan'i Jesoa. Avy eo izy nanohy ny fianarany tany Paris.
Fanoharana lehibe telo momba ny fivavahana no nampitain'i Lioka : Ny voalohany "ilay sakaiza manelingelina" izany ho mamporisika hanao lemozy amin'ny fivavahana ; ny faharoa "ilay vehivavy mananontena" nivavaka lalandava ary mino sy manana fanantenana ; ny fahatelo "ilay Farisianina sy ilay poblikanina" nanana fanetren-tena... Katesizy momba ny vavaka fototry ny fifandraisan'i Jesoa tamin'ireo mpianany, iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco