Zava-dehibe ny fifantohana sy ny fihainoana. Voalaza ao amin'ny Lioka 6, 40 : "ny mpianatra tsy ambony noho ny mpampianatra, fa izay mpianatra tsara ofana ihany no toa ny mpampianatra azy". Anisan'ny fampianarana manan-danja atoron'ny Baiboly ho an'ireo mpianatra, hanampy azy hiatrika ny ho aviny dia ny fahaizana manara-dalàna. Mila mametraka lalàna ho an'ny tenany ny tsirairay. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa. 

13 aprily 2024 — Sabotsy, Herinandro faharoa Fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, Ilay nahary ny zavatra rehetra, ary niantra ny zanak’olombelona — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 16-21)

♦ Nankalaza ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Ankizin'ny Làlana isika androany 12 aprily. Fizaham-pahasalamana maimaim-poana sy fanomezana kôpia nahaterahana, no nanamarihana izany teny amin'ny Tranom-pokonolona Isotry... ♦ Lasa fanangonan-karena sy fitadiavam-bola ny fanaovana pôlitika eto Madagasikara, fa tsy misy mihitsy izay mahasoa ny vahoaka, hoy ny HPM sy ny ACS... ♦ Mangataka amin'ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana hampiato ny fambolen-kazo any anatin'ny tany iveloman'ireo tantsaha manamorona ny tandavan'ala Angavo, ny pretra sy ny Justice et Paix, ao amin'ny Distrika Misiônera Amboasary Gara, Diôsezin'i Moramanga...

♦ Notanterahana ny 8 hatramin'ny 11 aprily 2024 ny fivoriana ara-potoana fanaon'ny Jutice et Paix isan-taona, ka nentin'izy ireo nanomezana hafatra ho an'ny vahokan'Andriamanitra... ♦ Hotanterahana ny alahady 14 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka sy fametrahana eo amin'ny fiketrahana maha Eveka hitantana ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Razafinirina Jean Désiré... ♦ Anisan'ny herim-panahy mahatonga tena handresy ny ratsy marina tokoa ny faherezana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarana nentiny tamin'ny Audience Générale, tamin'ny alarobia 10 aprily 2024...

[Miara-dàlana] Alakamisy 26 jona 2025

Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...