8 jona 2023 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahasivy Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 28b-34)

♦ Nankatoavin'ireo Solombam-bahoka teny Tsimbazaza androany, ny andininy sivy sy toko iray, nitondran'ny Antenimieran-doholona fanovana, tao anatin'ilay fehezan-dalana hifehy ny harena an-kibon'ny tany... ♦ Antoky ny fahombiazana ara-toekarena eo anivon'ny firenena iray, ny famokarana sy ny fanjifana ny vokatra vita eo an-toerana, hoy ny Filohan'ny Sendikan'ny Indostria eto Madagasikara... ♦ Voasaringotra tamin''ilay raharaha fitsaram-bahoaka tao Lalaza, na Vohibato Fianarantsoa, ny Solombavam-bahoaka voafidy tany amin'io Distrika io...

♦ 7 Jona : andro iraisam-pirenena ho an'ny fiantohana ara-pahasalaman'ny sakafo. "Ny fenitra ho an'ny sakafo, mamelona ny aina", no loha-hevitra ho entintsika manamarika izany anio... ♦ Ho fantatra amin'ny kongresy nasiônaly ny anaran'izay ho kandidan'ny antoko Tiako i Madagasikara, amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena amin'ity taona ity... ♦ Hivoaka amin'ny talata 13 jona izao ny didim-pitsarana amin'ireo raharaha hanenjehana an'Andriamatoa Lôla Rasoamaharo, tompon'ny orinasa "La Gazette de la Grande Île"... ♦ Nahitana sisin-taolana maro tao amin'ny faritry ny tanin'ny miaramila any Uruguay, tao avaratr'i Montevideo, omaly...

Ny fiainan'ny olona dia mitohy hatrany, avy nandranto fianarana dia mitohy any amin'ny sehatry ny asa na sehatra hafa, indrindra ny sehatry ny fanambadiana. Ny fitiavana dia : fahasamihafana, fifamenoana, fifanekena, fifaliana, tebiteby, fiainana lava be. Ny olona mifankatia dia mampisongadina ny fahasamihafàna ary tonga amin'ny fifamenoana, ary mifanaiky hifampitantana amin'ny fiainana. Ny dingam-piainana isan-karazany dia ampy hanefy ny olona ara-po hatanty ny ratram-po.

[Miara-dàlana] Zoma 5 septambra 2025

• Manatanteraka fitsidihana any amin'ny Diosezin'i Mananjary ankehitriny, ny Nonce Apostolique an'i Madagasikara. Ao anatin'izany no hankalazana ny faha-150 taonan'ny Fikambanana Société du Verbe Divin... • Mpivahiny masina miisa 4.500 no niatrika ny JMJ tao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa, izay nifarana ny alahady lasa teo... • Tsy ny manome ihany, fa ny fianarana mangataka ihany koa ny fitiavana, hoy ny Papa Léon IXV tamin'ny fampianarany ny alarobia 3 septambra 2025, tao anatin'ny Audience générale...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...