Aoka isika tsy higaga na hihetseham-po amin’ny zava-misy hianantsika isan’andro fotsiny fa hanolotena satria asa fanompoana dia iraka maha-kristianina. Tsy tokony hihetsi-po fotsiny fa tokony hafoi-tena isika hanavao ny fiaianana manontolo. I Kristy tsy nangoraka fotsiny nahita antsika latsaka tao anatiny fahotana fa nahafoy tena tanteraka izy hamonjy antsika. Katesizy momba ny fidonanam-poana, iarahana amin'i P. Ratinarivony Laurent.

Sabotsy 18 febroary 2023 — Herinandro Tsotra fahenina Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Asehoy ny mpanomponao ny tavanao, ry Tompo, ary ampianaro ahy ny Fitsaranao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 9, 1-12)

♦ Tombanana hikasika ny morontsiraka afovoany atsinanan'ny nosy ny rivodoza Freddy, amin'ny talata na alarobia ho avy izao... ♦ Natolotra tamin'ny alalan'ny atrik'asa nasiônaly androany, ny volavolan-dalana ho fananganana ny filankevitra ara-toekarena sy sôsialy, ary ny kolontsaina eto Madagasikara... ♦ Noho ireo ekipam-pirenena Ankoay, sokajy lahy sy vavy, nitondra avo ny voninahi-pirenena, dia notoloran'ny Filoha Andry Rajoelina, Mari-boninahi-pirenena sy "prime spéciale", izy ireo androany...

♦ Nanao fanentanana ny hijerena manokana ny fiainam-bahoaka, ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, nandritra ny fametrahana araka ny fomban'ny Fiangonana an'i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz, tany amin'ny Diôsezin'i Mahajanga... ♦ Nodimandry teo amin'ny faha-56 taonany, i Mompera Ramarosandratana Ignace, avy ao amin'ny fikambanana Salezianina Don Bosco, androany zoma 17 febroary 2023... ♦ Ny dian'ny karemy sy ny Sinaody dia mikendry fivoan-tarehy, io no hafatry ny Papa François, amin'izao karemy hiatomboka ny 22 febroary 2023 izao...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...