♦ Tsy misy atahorana ny vola entina miatrika ny fifidianana amin'ity taona ity hoy ny filohan'ny CENI. Nambaran'Andriamatoa Dama Arsène Andrianarisedo fa mitohy hatrany ny fifampiresahana amin'ny governemanta... ♦ Nahitana razana miisa 11 indray omaly tao amin'ny fari-dranomasin' i Nosy-Faly any Ambanja nitrangan'ny faharendrehan'ilay sambo nitondra olona an-tsokosoko saika hihazo an'i Mayotte ny sabotsy alina teo... ♦ Fiadiana ny amboara eran-tany ho an'ny Basket-ball lehilahy latsaky ny 19 taona hatao any Hongrie amin'ity taona ity ; iray tarika amin'i Etazonia, Liban ary Slovénie ao amin'ny vondrona "B" i Madagasikara...

Mivelatra ny fiaraha-monina ary mihalehibe ny rafitra satria mihitatra amin’ny fiaraha-monina iraisam-pirenena. Tsy maintsy ny fepetra sy fitsipika ary lalana mifehy ny fiaraha-monina, mba hitazonana ny fahasambarana sy fahamendrehan’ny olombelona, ary ny fifampiankinany. Ao anatin’izany fepetra izany ny azo atao sy ny voarara (le permis et l’interdit). Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

Alarobia 15 marsa 2023 — Herinandro fahatelo amin'ny Karemy — Sambatra izay mitandrina ny tenin’Andriamanitra, amin’ny fo marina sy tsara, sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 17-19)

♦ Tsy misy hatahorana ny vola entina miatrika ny fifidianana amin'ity taona ity, hoy Filohan'ny CENI... ♦ Am-perinasa amin'ny maha Talen'ny Kabinetra Sivily eny amin'ny Fiadidiana ny Repoblika azy, Ramatoa Andrianarisoa Romy. Tontosa androany ny famindram-pitantanana teo aminy sy Ramatoa Raharinina Baomiavotse... ♦ Nahitana razana miisa 11 indray androany, tao amin'ny fari-dranomasin'ny Nosy Faly, any Ambanja, nitrangan'ny faharendrehan'ilay sambo nitondra olona an-tsokosoko, saika hihazo an'i Mayotte, ny sabotsy alina lasa teo...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...