Sahiran-tsaina ny ray aman-dreny ny amin'ny fiainan'ny tanora 18 hatramin'ny 21 taona, manoloana ny fitiavana. Misy ny fironana mampiahiahy ankehitriny ny amin'ny fiarahan'ny olon-droa mitovy fananahana. Tokony hanitsy ny fiheverany ny tanora fa tsy ny firaisana ara-nofo no tena atao hoe porofom-pitiavana. Betsaka ny tanora no manambany ny tenany ka mahalaza manao hoe : ratsy tarehy izy. Ho an'ireo +18 : Ny fidirana amin'ny sehatry ny fitiavana dia tsy midika hoe tara fa kosa manana fotoana kokoa aza handinihana ireo tokony hatao. Tsy voatery ho fahadisom-panantenana no manosika ny tanora hifankatia mitovy fananahana, isan'ny antony ireny ny fomba fanabeazana ireo tanora ao an-trano na eny amin'ny fiaraha-monina.

♦ Tany amin'ny Distrikan'i Ikalamavony no nisy ny ivon'ny rivo-doza Freddy tamin'ny 5 ora maraina teo. Hihena hatrany ny heriny amin'ity anio ity, ary tombanana hivoaka any amin'ny manodidina ny Distrikan'i Morombe anio tolakandro. Efa foana ny filazana loza ho an'ny Faritra Analamanga... ♦ Efa namoizana ain'olona iray sahady, omaly hariva, noho ny rivo-doza Freddy, ny tany Mahanoro. Mafy ny fahavoazana tany Mananjary, izay nidiran'ity rivo-doza ity, An'aliny ny tra-boina any Vatovavy... ♦ Ny ministra miisa 05 amin'ireo ministra 08 vaovao, no efa nandray ny fitantanana ny ministera omaly, taorian'ny famindram-pahefana...

Rehefa tafiditra tao am-po sy ny fiainan'ny mpianatra ny "fitiavana sy ny fahamarinana", vao mahazo miteny fiadanana sy miaina izany. Ny fiadanana dia fampanjakana ny fitiavana marina sy ny fahamarinana eto an-tany na inona toerana misy anao : na mpitondra Fanjakàna ianao, na mpitondra Fiangonana, na ray na reny, na zanaka na mpianatra na mpiasa sns. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny fiadanana ety an-tany, iarahana amin'i P. Ramiandrasoa Jean Émilien Louis Marc. 

Alarobia 22 febroary 2023 — Fanosorana lavenona — Mibebaha ianareo, hoy ny Tompo; fa efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 6, 1-6, 16-18)

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...