♦ Ny alahady 12 febroary izao no hapetraka amin'ny toerana maha-Evekan'i Mahajanga azy i Mgr Zygmunt ROBASZKIEWICZ. Efa fantatra ny antsimpirihan'ny fandaharam-potoana momba izany... ♦ Tsy tontosa omaly ny fandinihana sy fandanian'ny Loholona ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakàna taona 2023. Nitokona noho ny fahataran'ny karaman'izy ireo ny mpiasa tao amin'ity andrim-panjakàna mpanao lalana ity... ♦ Niverina nanakan-dalana indray nanomboka ny alakamisy teo ireo olona mitaky ny zo amin'ny orinasa QMM ao Taolagnaro noho ny fanelingelenana ny asa fiveloman'izy ireo vokatry ny fitrandrahana ataon'ny orinasa...
03 desambra — Teraka tao Navarre ny 07 aprily 1506 i François Xavier. Francisco de Jasso y Azpilicueta no anarany. Nanana lapa ny rainy Juan de Jasso. Avy amin'ny fianakaviana tao Basse-Navarre izy. Ny reniny kosa, María de Azpilicueta, avy amin'ny fianakaviana tao Baztan.
Ho antsika kristiana dia ny Fitiavana araka ny Evanjely ihany no hihainana amin'ny fiainana andavanandro. Voalohany amin'izany dia ny Fitiavana an'Andriamanitra ary ny faharoa dia ny Fitiavana ny namana. Ny vavaka no marika ho fitiavantsika an'Andriamanitra. Ny vavaka iombonana sy ny vavaka samirery no tokony himasoantsika mandrakariva. Katesizy momba ny fitiavana sy ny fiainana, iarahana amin'i P. Mitsinjo Luc Rason.
Sabotsy 3 desambra 2022 — Herinandro voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo — Taona A — Manandrata feo eny amin’ny tendrombohitra, ianao izay mitory teny soa; indro fa tonga amin’ny heriny ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 35 — 10, 1. 6-8
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco