Alakamisy 24 nôvambra 2022 — Herinandro Tsotra fahefatra amby telopolo Mandavantaona — Miandrandrà, ka asandrato ny lohanareo; fa efa akaiky ny fanavotana anareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 21, 20-28
♦ Nampanantsoina teny amin'ny Pôlisy misahana ny raharaha ara-toekarena androany, ny Talen'ny Transparency International eto Madagasikara. Fampiantsoana namotoran'ny Pôlisy azy, tao aorian'ny fitoriana napetraky ny vondron'ireo mpandraharaha manondrana letsisia, na ny GEL... ♦ Nitsangana ny HIFFIM, Hetsika Iombonana ho an'ny Fanarenana sy Fanorenana Ifotony an'i Madagasikara. Miantso ny Malagasy hifanome tanana ao anatin'izao fahasahiranana izao, ireo mpikambana, androany...
♦Tsy tokony ahazo taratasy ara-dalàna ireo basy miditra antsokosoko eto Madagasikara, hoy ny sekreteram-panjakàna miadidy ny zandarimariam-pirenena. Tato anatin'ny enin-taona mantsy anarivony ny olona efa maty vokatr'izany... ♦ Mitaky ny hanakatonana vonjy maika ireo toeram-pitrandrahana harena an-kibon'ny tany any amin'ny distrikan'Ankazobe, ny solombavambahoaka voafidy any an-toerana, noho ny gaboraraka sy ny tsy fandriampahalemana aterak'izany... ♦ Sambo roa no mandray ny vokatra Letchis ho ahondrana any ivelany, ao amin'ny seranan-tsambon'i Toamasina. Letchis hatrany amin'ny 15.000 taonina no ho entin'izy ireo any Europa. Nisokatra omaly ny taom-pihotazana sy fanondranana...
Ny ankohonana no tompon'andraikitra voalohany amin'ny fampanajàna ny fitsipi-pifehezana, noho izany dia manana adidy amin'ny fanorona ireo tokony hataon'ny zanaka ny ray aman-dreny. Ny miala sakana dia vanim-potoana tsy azo hiodivirana ho an'ny zanak'olombelona. Ny dingam-piainan'ny olombelona dia miatomboka amin'ny fahazazana, mandalo amin'ny fahatanoràna sy ny fahalebiazana ary miafara amin'ny fahanterana. Ny vanim-potoana tetezamita eo amin'ny fahazazana miampita amin'ny fahalebiazana no hisehoan'ny fialana sakana. Miatrika olana maro samihafa ny tanora satria miova ny toe-batany, miseho lany ny fanahiana, eo koa ny fitobahan'ny fakam-panahy, ny tsy fahatokisan-tena...
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco