Zava-dehibe eo amin'ny singa maha-olona ny safidy ka tsy azo tsinotsiniavina. Noho izany dia mila saina mahay mandinika sy malina tsara eo am-pandraisana safidy satria ny fiantraikany tsara na ratsy vokatry ny safidy natao dia mety hoenti-maty na ho an'izay nanao azy na ho an'ny hafa ihany koa... Fandaharana "miaina sy mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

11 nôvambra — Teraka ny taona 316 tao Pannonie, tananan'i Sabaria, izany hoe Szombathely ao Hongrie amin'izao fotoana izao, i Martin. Avy ao Pavie, Italie avaratra ny rainy. Miaramila manamboninahitra tao am'ny tafiky ny empire romanina io rainy io. Ary tsy mahagaga ny anarany raha nataon'ny rainy hoe Martin, izay midika hoe manaja an'i Mars, andriamanitry ny ady ho an'ny romanina.

Marina ny voalazan'i Jesoa fa maro ireo mivavaka ao anatin'ny fihatsarambelatsihy fotsiny. Izany hoe mivavaka amin'ny lalàna sy ny fisehosehoana ety ivelany. Ireo tenin'i Jesoa sy traikefa nananany dia efa ampy mahafaoka ny "fanompoana andrimanitra tsy izy". Katesizy momba ny fitsaohana an'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotoarisoa Sedera Joseph.

Zoma 11 nôvambra 2022 — Herinandro Tsotra faharoa amby telopolo Mandavantaona — Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fa amin’ny asany rehetra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 17, 26-37

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...