29 ôktôbra — Teraka ny 09 jona 1837 i Michel Rua. Zaza farany amin'ny sivy mianadahy nateraky ny ray aman-dreniny izy. Tamin'ny taona 1852 izy no niditra tao amin'ny Oratorio tao Valdocco. Indray andro dia niteny taminy i Don Bosco fa mifameno izy ireo. Izy no anisan'ireo nilazan'i Don Bosco voalohany ny hananganana ny fikambanana salezianina.
Mila ampifanatrehana ny antony manosika antsika hanao zavatra iray na ny antony tsy manosika antsika. I Jesoa Kristy maty sy nitsangan-kovelona no masontsivana fototra. Tsara homarihana fa tsy azo atao ny maka fanapahan-kevitra raha ao anatin'ny hafaliana sy alahelo, tokony ho ao anaty fitoniana hatrany. Katesizy momba ny fanomezam-pahasoavana fahaizana mandanjalanja, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.
Sabotsy 29 ôktôbra 2022 — Herinandro Tsotra fahatelopolo Mandavantaona — Ny Teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 14, 1. 7-11
♦ Asa no atao fa tsy fampanantenana, hoy ny Filoham-pirenena androany, raha nampahafantatra ny voarakitry ny Planina Enti-mampandroso an'i Madagasikara na ny PEM, tetsy amin'ny CCI Ivato. Tetikasa maro no nambarany fa hatomboka amin'ity taona ity sy amin'ny 2023... ♦ Tsy ao anatin'ny atonta eny amin'ny trano pirinty tsy miankina ny taratasim-panjakana fanaovana karapanondrom-pirenena, hoy ny Minisitry ny Atitany... ♦ Tsy misy mpividy ny lavanila na efa nisokatra ny 7 ôktôbra aza ny taom-piotazana, hoy ny Solombavam-bahoaka Rolland Ratsiraka, androany...
• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany, ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco