♦ Tsy tokony asiana fanilikilihana ny fakàn-kevitry ny Ceni amin'ny fanavaozana manontolo ny lisitry ny mpifidy, hoy ny V.H.T. Ireo antoko mpomba ny fitondràna sy ny avy amin'ny mpanohitra ihany no nantsoina, hoy ny filohan'ity antoko ity... ♦ Kasaina hohatsaràina ny lalàna mifehy ny fahasalamana eto amintsika. Milaza ho manana soson-kevitra maro ho amin'izany fanovàna izany ny fikambanan'ireo mpivaro-panafody eny ambanivohitra na "dépositaire de Médicament"... ♦ Namoaka fikarohana momba ny famokarana biriky miaro ny tontolo iainana ny Atelier iray eny Tsimbazaza. Nahavita biriky tsy dia mila fampiasàna béton intsony amin'ny fanangànana trano ity orinasa tsy miankina ity...
♦ Tsy tomombana ny fanombohan'ny fanisàna mpifidy sahanin'ireo mpanisa any ifotony, hoy ny KMF/Cnoe omaly. Voalazan'ny fanambaràna fa maro ireo fanisàna tsy nanomboka tamin'ny sabotsy teo, amin'ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana... ♦ Mitaky fihaonana mivantana amin'ny ministra ny sendikàn'ny mpiraki-draharaha mialohan'ny hampikatsoan'izy ireo ny raharaham-pitsaràna ny alakamisy izao. Tafapetraka omaly ny taratasy fampahafantarana amin'izay firosoana amin'ny fitokonana izay... ♦ Angatahana ho andro tsy fiasàna nefa andraisan-karama ny datin'ny 5 ôktôbra, izay hankalazàna ny andro maneran-tany ho an'ny mpampianatra. Mikarakara hetsika fanamarihana izany rahampitso ny AJEEM-Madagasikara...
04 ôktôbra — Teraka ny 1181 i François, zanaka mpivarotra, mpanan-karena tao Ombrie izy. Vao teraka izy dia nataon'ny reniny batemy ka nomeny ny anarana hoe Jean fa rehefa tonga avy any France ny rainy dia nanome azy ny anarana hoe François.
Mila ianarana ny fifampiresahana ao an-tokantrano, sao manao fifampiresahan'ny samy marenina ka ny azy ihany no asesitsesika fa ny an'ny hafa tsy re na oviana na oviana. Tsy mety raha mba miresaka nefa ny anao ihany no tiana apetraka sy tanterahan'ny hafa. Tsy mety ny resaka miafara amin'ny ady saritaka. Katesizy momba ny fifanakalozan-kevitra ao an-tokantrano, iarahana amin'i P. Jean Luc Ratovonjanahary.
• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany, ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco