Fanontaniana tonga ao an-tsaina ny hoe : inona atao hoe masina?. Ny masina dia madio mangatsakatsaka, tsy misy azo am-pitahaiina aminy, tsy manan-tsahala, lavorary, tokana. Aoka ho masina tahaka an'ny Rainareo izay any an-danitra ianareo. Katesizy momba ny fandanjalanjana ny antson'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Alakamisy 20 janoary 2022 — Herinandro faharoa mandavantaona — Araikao amin’ny fanambarànao ny foko ry Tompo, ary ny lalanao no aoka hanenika ahy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 3, 7-12
♦ Hihena ny rotsak'orana ho an'ny faritra Analamanga siangy mbola hitohy hatrany izany hatramin'ny faran'ny herinandro. Hihamafy ny any amin'ny Faritra hafa hoy ny météo Malagasy... ♦ Miato hatramin'ny zoma izao ny fampianarana any amin'ireo faritra mena sy mavo voasokajy ho tandindomin-doza amin'ny rotsak'orana... ♦ Miara-mientana hanatratra ny fanamby amin'ny fampiakarana ny vokatra ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakàna malagasy...
♦ Afaka mitroka sy mamoaka rano hatrany amin'ny 9m3 isaky ny segondra iray ireo paompy 3 lehibe eny amin'ny station de pompage eny Ambodimita hoy ny APIPA... ♦ 60 hatramin'ny 70 eo ny fitaovam-pamokarana samihafa, hanodinana ny vokatry ny tantsaha, no nafaran'ny fitondram-panjakàna, hanampiana ny tantsaha... ♦ Nohamafisina izao fa ho raisin'i Madagasikara ny fampiantranoana ny lalaon'ny nosy aty amin'ny ranomasimbe Indiana, andiany faha-11, taona 2023...
• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco