31 desambra 2020 — Andro fahafito amin'ny havaloan'ny Noely — Ny Teny dia tonga nofo ka nonina tatý amintsika. Izay rehetra nandray Azy dia nomeny fahasoavana ho tonga zanak’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 1, 1-18

♦ Fanazavan'ny tale jeneralin'ny fandraharahana ny fonja momba ilay tompon'andraikitra teo aloha tao amin'ny Jirama izay notsarain'ny PAC, voalaza fa tsy nijanona ela teny Antanimora... ♦ Nanome toro-marika ireo mpitatitra mba hisorohana amin'ny korontana eny amin'ny toby fiantsonana manerana ny nosy, androany ny tale jeneralin'ny ATT...

♦ Olona miisa 2 no namoy ny ainy, 39 hafa mbola manaraka fitsaboana eny amin'ny tobim-pahasalamana, vokatry ny fisotroana rano maloto tany amin'ny Kaominina Andalatanosy, faritra Androy... ♦ Mampitaraina ny malagasy ary manosika azy ireo hanova ny sakafo fihinana andavanandro na mampihena ny fatran'ny sakafo hohanina ny fidangan'ny vidin'ny PPN any Mahajanga...

♦ Miaina amin'ny eo am-pelatanany ireo sendran'ny micro-ny RDB, hiatrehana ny fetin'ny faran'ny taona sy ny taom-baovao. Tsy nisy ny teti-bola manokana natokana ho an'ny fety... ♦ Miantso sy manentana ny mpitondra isan'ambaratongany aty Afrika ny OMS mba hanaafy ny fanaraha-maso ny fihanaky ny tsimok'aretina Coronavirus...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...