Ny vatana mifanakaiky no endriky ny fanehoam-pitiavana. (02-12-2020)

Alakamisy 03 desambra 2020 — Herinandro voalohany amin'ny Fiaviana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 7, 21. 24-27 — Indro ho avy ny Tompo hanavotra ny vahoakany ; sambatra izay vonona hitsena Azy.

♦ Ho sarotra ny hahatratrarana ny fitombon'ny harinkarena faobe 4% mahery ny amin'ny taona 2021 , raha ny rafitry ny teti-bolam-panjakana amin'ny taona ho avy... ♦ USAID sy ny DOI-ITAP : nanolotra 150.000 dolara ho an'ny fikambanana TSA hiantohana ny fahaveloman'ny sokatra miisa 24.000... ♦ Fifidianana filoham-panjakana amerikana : tsy nisy hosoka hoy ny ministry ny fitsarana amerikana...

♦ Fanavaozana ny lisim-pifidiana : nosokafana tamin'ny fomba ôfisialy tany Fianarantsoa ary haharitra hatramin'ny faha 15 may 2021... ♦ Fanampiana ara-bola ny sekoly tsy miankina : tsy sehatra hitadiavam-bola ny fanabeazana fa sehatra hanasoavana... ♦ Ny eveka sy ny fiombonan'ny kristianina : antotan-kevitra novokarin'ny ao Vatican ho ampahafantarina amin'ny 04 desambra...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 1 septambra 2025

Hafatra avy amin'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana eto Madagasikara, ao anatin'izao volana natokana ivavahana sy handraisana an-tanana ny tontolo iainana izao... Manentana ny olon-dehibe rehetra hikajy ny tontolo iainana, hahay hifandray amin'ny hafa ary hitondra tsirim-panantenana ho an'ny rehetra, ny Hafatra avy amin'ny JNA andiany faharoa, notanterahana tany amin'ny Diosezin'i Morondava... Niantso ny rehetra hanana fanetren-tena ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...