♦ Caravane, filaharam-be, hetsika fanentanana sy fampisehoana miaraka amin'ny mpanakanto, santionany tamin'ny fanokafana ny andron'ny fampielezan-kevitra nataon'ireo kandidà ny tapany maraina teo... ♦ 80% amin'ny toeram-pitsaboana fototra na CSB manerana ny nosy dia ny "infirmier" avokoa no mitazona azy, manamarika ny herinandro ho an'ny "infirmier" isika eto Madagasikara hatramin'ny 12 mey izao...  ♦ Isan'ireo firenena mizaka ny voka-dratsy hateraky ny fiovaovan'ny toetry ny andro, izay miatraika mivantana amin'ny asa isika eto Madagasikara hoy ny Ministry ny asa, asa-panjakana ary ny lalàna sôsialy... ♦ Nahaton'i Etazonia tamin'ny herinandro teo ny famatsiana fitaovam-piadiana an'i Israely...

Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 19, 1-8)

Efa nandray ny Fanahy Masina va ianareo fony vao nino?

Raha mbola tany Kôrinto i Apôlô,
i Paoly kosa tonga tany Efezy rahefa nitety faritany ambony tany Azia.
Nony nahita mpianatra sasany teo izy, dia nanao taminy hoe:

“Efa nandray ny Fanahy Masina va ianareo fony vao nino?”

Fa hoy izy ireo taminy:

“Tsy mbola nandre akory aza izahay fa hoe misy Fanahy Masina.”

Ary hoy izy:

“Batemin’iza no noraisinareo?”

Hoy ireo:

“Batemin’i Joany.”

Dia hoy i Paoly:

“Batemim-pibebahana no nomen’i Joany
fa Ilay ho avy ao aoriany,
izany hoe, i Jesoa no nambarany ho tsy maintsy hinoan’ny vahoaka.”

Nony nahare izany izy ireo,
dia nangataka hatao batemy amin’ny anaran’i Jesoa Tompo;
ary rahefa nametrahan’i Paoly tanana indray,
dia nidinan’ny Fanahy Masina, ka niteny fiteny samihafa sady naminany;
tokony ho roa ambin’ny folo lahy izy rehetra.
Nony afaka izany, dia niditra tao amin’ny sinagôga i Paoly,
ka niteny tamin-kasahiana,
ary nampianatra telo volana nilazalaza ny momba ny fanjakan’Andriamanitra
tamin’ny lahateny mandaitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 67, 2-3. 4-5ad. 6-7ab

Ry mpanjakan’ny tany, antsao ny Tompo.

Vao mitsangana Andriamanitra,
dia mihahaka ny fahavalony;
mandositra eo anoloany ny mpankahala;
toy ny fielin’ny setroka ny fieliny.
Toy ny savoka mitsonika manoloana ny afo,
ny olon-dratsy mikoa manoloana an’Andriamanitra.

Ny olo-marina kosa, manoloana an’Andriamanitra,
mifaly, miravo sy mirobiroby!
Mihirà, ho an’Andriamanitra, mankalazà ny Anarany.
Tompo no Anarany, mifalia eo anatrehany!

Fa Rain’ny kamboty Izy, mpanome rariny ny mpananotena,
Andriamanitra, ao amin’ny Toerany Masina,
mampitoetra an-trano ny tokan-tena,
mamoaka ny babo voagadra.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mandehana, mampianara ny firenena rehetra. Indro Aho eo aminareo ambara-pahatapitr’izao tontolo izao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 16, 29-33)

Matokia, efa nandresy an’izao tontolo izao Aho.

Tamin’izany andro izany, ny mpianatr’i Jesoa nanao taminy hoe:

“Indro milaza tsotra Ianao ankehitriny, fa tsy manao fanoharana akory.
Fantatray amin’izao fa mahalala ny zavatra rehetra Ianao,
ka tsy mila hanontanian’olona:
izany no inoanay fa avy amin’Andriamanitra Ianao.”

I Jesoa namaly azy hoe:

“Mino ange ianareo ankehitriny?
Indro avy ny andro, na efa tonga sahady aza,
izay hielezanareo samy ho any amin’izay halehany avy,
sy handaozanareo Ahy ho irery;
nefa tsy irery Aho tsy akory, fa ato amiko ny Ray.
Izaho no nilaza izany taminareo,
dia ny mba hanananareo fiadanana amiko.
Hozoim-pahoriana ianareo eto amin’izao tontolo izao;
fa matokia, efa nandresy an’izao tontolo izao Aho.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 1, 15-17)

Aoka hisy anankiray ho namantsika mba ho vavolombelon’ny nitsanganany ho velona.

Tamin’izany andro izany,
dia nitsangana teo afovoan’ireo havana iray finoana i Piera
(tokony ho roapolo amby zato no isan’izay nivory teo) ka nanao hoe:

“Ry kristianina havana,
tsy maintsy tanteraka ilay Soratra voalazan’ny Fanahy Masina tamin’ny vavan’i Davida
momba an’i Jodasy, izay nitarika ny mpisambotra an’i Jesoa;
fa anisantsika koa izy,
sady nanana anjara tamin’izao fandraharahantsika izao.
Ary izany indrindra no voasoratra ao amin’ny bokin’ny Salamo hoe:
‘Aoka ho lasan’olon-kafa ny anjara raharahany’.
Koa amin’ireo lehilahy niaraka tamintsika
tamin’ny andro rehetra nitoeran’i Jesoa Tompo teto amintsika,
hatramin’ny nanaovan’i Joany batemy Azy ka hatramin’ny andro niakarany any an-danitra,
dia aoka hisy anankiray ho namantsika,
mba ho vavolombelon’ny nitsanganany ho velona”.

Dia nanokana roa lahy tamin’izy ireo izy
dia i Jôsefa atao hoe Barsabasy sy nampiana anarana hoe ilay Marina,
ary i Matiasy,
ka nivavaka nanao hoe:

“Tompo ô,
Ianao no mahalala ny fon’ny olona rehetra,
ka asehoy izay voafidinao amin’izy roa lahy ireto,
mba hanana anjara amin’izao fandraharahan’ny Apôstôly izao,
izay nialan’i Jodasy hankanesany any amin’ny fitoerany”.

Dia nanaovany loka izy roa lahy,
ary i Matiasy no nahazo ny loka,
ka izy no lany ho isan’ny Apôstôly roa ambin’ny folo lahy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 102, 1-2. 11-12. 19-20

Naoriny any an-danitra ny fiketrahany.

Isaory ny Tompo, ry fanahiko;
ny Anarany masina, ry ato anatiko rehetra!
Isaory ny Tompo, ry fanahiko
ny soa avy aminy aza misy hadinoina.

Tahaka ny lanitra mambomba ny tany
ny fitiavany mambomba ny matahotra Azy.
Tahaka ny atsinanana lavitry ny andrefana,
ny hadisoantsika halaviriny amintsika.

Naoriny any an-danitra ny fiketrahany,
mifehy ny tontolo ny Fanjakany.
Misaora ny Tompo, ianareo Anjeliny
izay feno hery hankatò ny didiny.

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Joany Apôstôly (1 Jo. 4, 11-16)

Izay mitoetra ao amin’ny fitiavana, dia mitoetra ao amin’Andriamanitra, ary Andriamanitra ao aminy.

Ry hava-malala,
efa notiavin’Andriamanitra fatratra isika ka tokony mba hifankatia koa.
Tsy mbola nisy olona nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana.
Fa raha mifankatia isika dia mitoetra ao amintsika Andriamanitra,
ary lavorary ao amintsika ny fitiavana Azy.
Ny fananantsika ny Fanahiny no ahafantarantsika
fa mitoetra ao aminy isika, ary Izy ao amintsika.
Ary efa nahita izahay,
ka manambara fa naniraka ny Zanany ho Mpamonjy an’izao tontolo izao ny Ray.
Na iza na iza hanaiky an’i Jesoa ho Zanak’Andriamanitra,
dia mitoetra ao aminy Andriamanitra, ary izy ao amin’Andriamanitra.
Ary izahay efa nahalala sy nino ny fitiavan’Andriamanitra antsika.
Andriamanitra dia fitiavana;
koa izay mitoetra ao amin’ny fitiavana dia mitoetra ao amin’Andriamanitra
ary Andriamanitra ao aminy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Tsy havelako ho kamboty ianareo, hoy ny Tompo, fa handeha Aho, ary ho avy eo aminareo indray, ka ho faly ny fonareo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 17, 11b-19)

Ho iray tahaka Antsika anie izy ireo.

Tamin’izany andro izany dia niandrandra ny lanitra i Jesoa ka nivavaka hoe:

“Ray masina ô,
tahirizo amin’ny Anaranao izay nomenao Ahy,
mba ho iray tahaka Antsika izy.
Raha mbola teo amin’izy ireo Aho, dia nitahiry azy tamin’ny Anaranao.
Eny, nitahiry izay nomenao Ahy Aho,
ka tsy nisy very izy na dia iray aza, afa-tsy ilay zanaky ny fahaverezana,
mba ho tanteraka ny Soratra Masina.
Ankehitriny mankany aminao Aho,
ka manao izany fangatahana izany dieny mbola amin’izao tontolo izao,
mba hananan’izy ireo ny fifaliako tanteraka ao aminy.
Nomeko azy ny teninao, ka halan’izao tontolo izao izy ireo,
satria tahaka ny tsy maha-olon’izao tontolo izao Ahy
no tsy mahaolon’izao tontolo izao azy koa.
Tsy ny hanesoranao azy amin’izao tontolo izao no angatahiko,
fa ny hiarovanao azy amin’ny Ratsy.
Tahaka ny tsy maha-olon’izao tontolo izao Ahy
no tsy maha-olon’izao tontolo izao azy ireo koa.
Ankamasino amin’ny fahamarinana izy ireo.
Ny teninao no fahamarinana.
Tahaka ny nanirahanao Ahy ho ao amin’izao tontolo izao
no nanirahako azy ho ao amin’izao tontolo izao koa.
Manamasina ny tenako ho azy ireo Aho,
mba hohamasinina amin’ny fahamarinana koa izy”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Ny hoe "miadana" dia midika hoe moramora izay mifanohitra amin'ny haingana : azo ambara koa hoe "tony" mifanohitra amin'ny saritaka sy tabataba. Ny fiadanana dia mahakasika ny lafiny maha-olona izany hoe ny ara-batana : salama, misakafo, afaka matory ; ny lafiny "ara-tsaina" kosa dia tony miatrika ny fiainana ; lafiny ara-po kosa dia mahazo sy mandray na mizara fitiavana ary mahay mifehy fihetse-po. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...