Alarobia 22 janoary 2020 — Herinandro faharoa mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 3, 1-6 — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny Fanambarana avy amin'ny vavanao.

Nafahan'ireo mpaka an-keriny, tamin'ny sabotsy 18 janoary teo,  ny iray tamin'ireo seminarista efa-dahy nalain'izy ireo tao amin'ny seminera zokiny ao Kaduna any avaratr'i Nigéria.

Mitebiteby sy miahiahy fatratra ny amin'ny fahafatesana i ramatoa Juliette. Nanoratra tamin'i Don Bosco izy mba hangataka amin'ny alalan'i Masina Maria, ny mba hialany amin'izany tahotra ny fahafatesana izany sy ny mba hiatrehany izany am-pitoniana rehefa tonga ny fotoana.

Nafana ny koranan'i Line Bordas sy i Noro ary ramatoa talen'ny toby fitaizana zaza kambana, na dia nosembanin'ny fiatahan'iNoro nivoaka naka rivotra tany an-tokontany aza izany noho izy nisalebolebo : nitoe-jaza.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...