Sarotra ny miresaka finoana amin’izao fotoana izao ao an-tokatrano ao. Samy manana ny fomba fijeriny sy ny fanabeazana azony ny Ray aman-dreny an-daniny, sy ny zanaka nateraka an-kilany. Na dia mianatra any amin’ny sekolim-pinoana katolika aza ny zanaka dia tsy mandeha ho azy ny fiainana ny finoana sy ny fifampizaràna ao an-tokatrano ao. Katesizy momba ny fianakaviana iarahana amin’i P. Randriamanamahenina Robert Maria
Alarobia 3 aogositra 2022 — Herinandro fahavalo ambin'ny folo mandavantaona — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 15, 21-28
♦ Tsy afaka mitsara ny fitoriana napetraky ny fikambanana Gasy Leo, teny Ambohidahy tamin'ny herinandro lasa teo ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana. Ny Fitsarana Avo no afaka mitsara ny Filoham-pirenena fa tsy ny HCC, hoy ny Filohany, Rakotoarisoa Florent... ♦ Mino sy manantena ny mpiasa nitokona tao amin'n Minisiteran'ny Raharaham-bahiny, fa hisy vahaolana maharitra ny fifampidinihana miaraka amin'ny Fiadidiana ny Repoblika. Nampiato ny fitokonany nanomboka andraony ny sendikan'ny mpiasa miisa roa...
Masina ny fanambadiana fa tsy kilalao. Manana ny hajany ambony loatra ka mendrika, tsy natao hosihosena amin'ny tany. Hoy ny Soratra Masina hoe : Aoka hanan-kaja amin'ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandrian'ny mpivady, fa hoheloin'Andriamanitra ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin'olona. katesizy momba ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Rarivoson Aurélien.
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco