(19-02-2020) Ny loko maitso amin'ny sainam-pirenena Malagasy dia manambara fampandrosoana eo amin'ny firenena.
Alarobia 19 febroary 2020 — Herinandro fahenina mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 8, 22-26 — Izaho no fahazavan'izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan'ny fiainana.
Ny 16 ka hatramin’ny 04 avril 2020 no ho tanterahina any Turin-Valdocco ny “Chapitre générale faha-28” (CG28) ho an’ny Fikambanana salezianina. Hafatra roa lehibe no ampitain’izao fivoriam-be izao : ny fiverenana any Valdocco, trano foiben’ny salezianina, taorian’ny 62 taona lasa, ka ny CG18 no natao farany tany, ary ny fivoriam-be handinihina ny hoe “salezianina toy inona no ilain’ny tanora ankehitriny?”
Mpamokatra ara-pamokarana isam-pianakaviana miisa 320.000 amin'ireo faritra valo any amin'ny tapany atsimon'ny Nosy no hisitraka ny tombontsoa amin'ny fandaharan'asa ho fampandrosoana ny lalam-pihariana ara-pambolena sy fiompiana tsy misy hanavahana na ny DEFIS... Fandaharan'asan'ny Governemanta Malagasy eo ambany fiahian'ny Ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono, natomboka ny 04 desambra 2019
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco