Alahady 25 mey 2025. Alahady faha-6 – Taona D fankalazana ny Paka : Vary zato aharon’ny sompitra isika ao amin’ny Eglizy ; Raha misy tia Ahy ka mitandrina ny teniko, hoy ny Tompo, dia ho tian’ny Raiko izy, ka hankao aminy Izahay ary honina ao aminy. Ny fitiavana no harena tokana sy ambony indrindra amin'Andriamanitra, fitiavana tsy misy tambiny, hatramin'ny fahafoizana ny zavatra rehetra. Ny fitiavan'i Jesoa dia fitiavana maimaimpoana, tsy miandry valiny, tsy voafetra. Ny Fanjakàn'Andriamanitra dia fiadanana sy fifaliana, izay ao anatin'ny fon'ny olona mino...
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...
Marihana isaky ny 20 May ny andro eran-tany hoan’ny tantely. Mamokatra tantely 3 arivo hatramin’ny 4 arivo taonina isan-taona isika araka ny tarehimarika navoakan’ny EDBM tamin’ny taona 2023. Laharana fahafito aty Afrika amin’ny famokarana tantely i Madagasikara. Efa ela no niompy tantely ny malagasy ary manana karazana tantely maro koa noho ny fananana hazo sy zava-maniry hamokarana ny mamin-tantely. Manome lanja manokana ny fampiroboroboana ny lalam-pihariana tantely ny tranoben’ny tantsaha mampokatra nasionaly...
• Tokantrano maherin'ny 2 hetsy sy 1 tapitrisa avy amin'ny faritra 22 eto Madagasikara ankehitriny, no misitraka ny tetikasa Hataon'aina izay tanterahan'ny FID... • Niroso tamin'ny fandravana trano miorina tsy ara-dalana teo amin'ny taniny teny Manazary Betsizaraina Ilafy androany, ny orinasa SEIMAD... • Miantso ireo Parlementera mba hijoro sy hiaro ny tombontsoan'ny vahoaka nifidy azy ireo, ny antoko MMM, tao anatin'ny fanambarana navoakany...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco