Manana ny mampiavaka azy i Madagasikara, isan'izany ny harena voajanahary, an-kibon'ny tany, an-tanety, an-dranomasina, ny ara-kolontsaina. Harem-bakoka ara-kolontsaina tsy azo tsapain-tanana manana ny toerany ny TSAPIKY, hatarafana soatoavina maro : firaisan-kina, fihavanana. Vokatry ny hetsika sy fanehoana fahaiza-manao ary fifanankalozana traik'efa aminà hetsika samihafa dia velona ny fanantenana amin'ny fampandrosoana ny firenena ; andeha hifanentana amin'ny mpandraharaha mba hampiasan'izy ireo vola eto Madagasikara ho tombontsoan'ny Malagasy... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny telo volana fahatelo dia manana ny lanja, afahana mandrefy ny fivoaran'ny mpianatra sy ny asa fanabeazana. Ny fanadinam-panjakàna dia mamaràna ny telo volana fahatelo, noho izany dia singa lehibe mitondra any amin'ny fahafaham-panadinana sy fahazoana marim-pahaizana. Manam-pahaizana : manana fahaizana sy fahalalana amin'ny zavatra na asa iray. ny manampahaizana kosa dia ireo manana fahalalana maro-lafy... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
• Hanatanteraka varavarana misokatra ny zoma sy ny sabotsy izao ny CNTEMAD. Hampahafantarina mandritra izany ny fiovan'ity foibe fampianarana ampitain-davitra ity ho oniversitem-panjakana an-jotra mampiasa ny tontolo nomerika. Tontosa androany koa ny sonia fiaraha-miasa eo amin'ny CNTEMAD sy ny Radio Don Bosco... • Miantso ireo fikambanana misy ny tanora Gen Z mijoro ara-dalana ny Praiminisitra lehiben'ny Governemanta, Rajaonarison Mamitiana, hifampidinika amin'ny zoma maraina ho avy izao... • Atao anaty fanarahan-dalana avokoa ny asa sy ny fanapahan-kevitra raisina na tsy misy intsony aza ireo Mpanolotsain'ny Tanana, hoy ny Filohan'ny Delegasiona Manokan'ny Tananan'Antananarivo Renivohitra...
Ny Spoken Word dia efa nisy taloha ela be tany amin'ny taon-jato faha-XIV, tany Italie, ary nivoatra sy niely eran-tany. Zava-kanto vita amin'ny teny, miainga amin'ny soratra anefa tsy natao hovakiana loatra fa natao holaizaina, tononina am-bava, laroina fihetsika sy mozika raha ilaina. Maro ny tera-tany Malagasy no miangaly azy ity. Tany ivelany dia nentina nanoherana ny tsy rariny mihatraika mivantana amin'ny maha-olona ity "spoken Word" ity. Ny Spoken Word dia mahitsy amin'ny fanehoana voambolana...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco